Zoma 10 Novambra 2023

Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao… Jehovah no Mpiaro anao… Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra. Salamo 121:3-7

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Romana 8:28

 

Misy ve ny kisendrasendra ?

„Manao tsara ny zavatra ny kisendrasendra !” „Tsara vintana !” Ireo fiteny ireo, na iniana na tsia, dia mitory ny hevitra hoe tsy miditra an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika andavanandro Andriamanitra.

— Ny mihevitra fa fifanojoan-javatra tsotra ihany no nahatonga tranga mahafaly iray, dia midika hoe tsy mahita, ao amin’izany, antony tokony hisaorana an’Andriamanitra.

— Ny mieritreritra fa vintana ratsy no miteraka olana, na tranga mampalahelo, raha zohina, dia mahatonga amin’ny fanilihana an’Andriamanitra tsy ho ao amin’izay mianjady amintsika, mahatonga amin’ny fandavana tsy hino ireo fampanantenany.

— Ny manaiky fa misy zava-manahirana afaka mitranga ary tsy idiran’Andriamanitra, dia midika ho fandavana ny maha Izy Azy sy ny toetra mampiavaka Azy : ny fahalalany ny zava-drehetra, ny heriny, ny fitiavany, ny fahendreny, ny toetrany mahatoky.

Mora misoko ao an-tsaintsika ny antsoina hoe kisendrasendra, mba hampiala antsika amin’ny tokony hahafantarana an’Andriamanitra sy hifampiraharahana aminy. Andriamanitra no mamela hitranga sy mitantana ny zavatra rehetra. „Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ny Tompo ?” (Fitomaniana 3:37). Eo an-tanan’Andriamanitra ny fiafarantsika, ny an’ny tontolontsika, ary ny an’izao tontolo rehetra izao. Amin’ny andro fitsarana dia tsy ho kisendrasendra raha voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarako, mba hidirako any am-paradisa, lavitry ny fijalijaliana mandrakizay. Raha tsy manana fahazoana antoka ny amin’izany ianao, dia aza miandry io andro io hihaonana amin’Andriamanitra, satria ho diso aoriana loatra izany.

Misy Andriamanitra. Ekeo ny zavamisy hoe nanatona anao Izy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, mba hanafaka anao amin’ny fisalasalanao sy hanome anao ny faharesen-dahatra hoe manana ny fiainana mandrakizay ianao, raha mino Azy.