Alakamisy 9 Novambra 2023

Mahonòna tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady izay harapany ; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo. 1 Petera 5:8-9

 

Ady tsy an-kitsitsy

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny fiainana kristiana dia oharina amina ady. Tsy hitsahatra io, mandra-pahatongan’ilay mpino any an-danitra, eo anilan’ny Mpamonjiny.

Ny mpiady rehetra dia tokony hahafantatra ny fahavalony, hahalala ny fitaovam-piadiany, ny tetik’adiny, mba hanoherany azy sy handravany ireo hevi-petsiny. Nefa ampy ve izany ?

Ny fahavalontsika, fahavalo lehibe, dia mazava ho azy fa ilay antsoin’ny Baiboly hoe ilay mpiampanga, ny devoly, izay mihaodihaody manodidina antsika : i Satana mbamin’ny hafetseny sy ny heriny. Manafika ao anatin’ny saintsika izy, mampiditra fihevitra ampiasaina eto amin’izao tontolo izao, nefa mampihataka antsika amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Mampifoha ireo fitsiriritantsika izy, matetika amin’ny sary, manolotra ho antsika izay rehetra mety hahakasika sy hahasarika antsika. Manaitra ny fitiavantena sy avonavontsika izy, mampamirapiratra eo anoloantsika ny zava-mampiadana, ny harena, ny voninahitra, ny fahasambarana mihelina eto amin’ity tontolo ity. Manafika antsika amin’ny herisetra ihany koa izy. Any amina firenena sasantsasany dia ampiasainy ny vesatry ny fahantrana, ny fanenjehana tonga hatramin’ny fampijalijaliana sy ny fahafatesana.

Ady maro toy izany no atrehintsika isanandro, ahafahantsika mandresy, raha mitoetra eo anilan’ny Tompo isika. Tsy hifandanja ny ady, raha tsy mifamatotra mafy amin’i Kristy isika, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra. Fa raha toa kosa isika miandany amin’i Jesosy, Ilay efa naharesy, dia mahare Azy miteny amintsika hoe : „Matokia ; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 16:33). Maniry Izy hampiombona antsika amin’ny fandreseny, hampiorina tsara ny finoantsika Azy, Ilay Mpandresy mahery, ary hihazona antsika ho feno fanetrentena, ho malina ary hatoky.