Alarobia 8 Novambra 2023

Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka aminy. Nahoma 1:7

Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka. Lioka 18:1

 

Tao ambanin’ny onja (2)

Taorianan’ny nandrenesany ilay vaovao ratsy, dia volana enina no nandalo. Niaina irery niaraka tamin’ny fahoriany Ramatoa Brown. Nivavaka betsaka izy, resy lahatra tanteraka fa Andriamanitra, noho ny fitiavany sy ny famindrampony, dia tsy namela ny zanany ho very.

Nampitondra fahoriana be ny reniny i Jimmy. Nisotro izy, ary nanaraby ny fivavahana.

Nefa na taorianan’ny nahafantarany ny fomba niteleman’ny onja azy aza, dia tsy nanaiky ho very fanantenana izy.

Iray andro talohan’ny Krismasy izy dia naharay taratasy misy adiresy maloto sy misolotika. Hafatra fohy no tao anatiny :

— Ry neny malala, velona aho ary hody tsy ho ela atỳ an-trano. Deraina Andriamanitra ! Namonjy ny vatako Izy sady namonjy ny fanahiko koa. Ny zanakao : Jimmy.

Napetrany teo ambony latabatra ilay taratasy :

— Eny, deraina Andriamanitra, satria ho Azy dia tsy misy tsy hainy atao.

Iny hariva iny ihany dia nisy nandondòna tao am-baravarana : i Jimmy ! Niova be izy, hatsatra sy nahia, nisy hazavana tsy nahazatra tao amin’ny fijeriny. Izao no notantarainy : taorianan’ilay onja dia namikitra tamina hazo lehibe iray izy, ary nahavita nilomano nandritra ny ora maro, mandra-pahatongany teny amoron’ny tanety. Nisy mpanarato iray nahita azy, nandray azy ary nikarakara azy. Teo am-bavahoanan’ny fahafatesana izy nandritra ny herinandro maromaro. Nony farany, rehefa avy niala sasatra ela izy, dia niasa mba hahafahany mandoa ny saran-dalana hodiany.

— Ary ahoana no nahatonga an’i Jesosy ho Mpamonjinao ?

— Neny a, nihaona tamiko tao ambanin’ny onja ny Tompo. Niverina tamiko avokoa ny fiainam-pahotako lasa rehetra, ary niantsoantso aho hoe : „Tompo ô, vonjeo aho”. Dia nataony izany.

(nalaina tamin’ny Alimanaka ara-pilazantsara tamin’ny 1976)