Talata 7 Novambra 2023

Ary na dia efa tsy nisy nanantenana aza, dia nanantena ihany izy (Abrahama) ka nino… nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. Romana 4:18-21

 

Tao ambanin’ny onja (1)

Nijoro teo antokonam-baravaran’ny tranony Ramatoa Brown, nitebiteby nitsinjo ny lalana. Tsitapitapitr’izay izy dia nahatazana tovolahy iray niakanjo manga, nanakaiky. Nihazakazaka izy nanatona ilay tovolahy, nahazo antoka fa ilay zanany lahitokana io, niverina avy tamin’ny diany tany an-dranomasina. Nefa vetivety foana dia hitany fa diso hevitra izy. Tsy nahazo aina i Pierre, nampahafantatra haingankaingana ny tenany, hoe naman’ilay zanaka nandrasana.

— Hay, efa nahare momba anao aho … Aiza ny zanako, i Jimmy-ko ?

— A… a… nidona tamina vatolampy ambanin’ny ranomasina ny sambo…

Tsy afaka namarana ny teniny i Pierre. Takatr’i Ramatoa Brown ny vaovao mampalahelo. Taoriana-na hiaka feno fangirifiriana izy dia nitony, ary nangataka ny hitantarana aminy ny zava-nitranga momba ilay sambo rendrika. Olona roapolo fotsiny no avotra, tamin’ny olona zato. Maty i Jimmy… Rehefa afaka kelikely, dia hoy izy nanontany :

— Hitanao ve ny nahafatesan-janako ? Ahoana ny fomba nahafatesany ?

— Tsy afaka hilaza izany aminao aho, tompoko.

Nisisika ihany izy : — Tokony holazainao amiko izany. Fantatro fa maty tam-piadanana izy, satria nivavaka mafy ho azy aho.

Mbola nandà hatrany izy, saingy nisisika ihany ilay renim-pianakaviana, ka hoy izy nony farany :

— Natelin’ny onja izy, iny mbola niteny ratsy sy nanompa iny.

Ankona ilay renim-pianakaviana, ary tafatombina. Avy eo dia natorony an’i Pierre ny teny tiany indrindra, nihantona teo amin’ny rindrina, hoe : „Hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra” (Matio 19:26), ary hoy indray izy :

— Na teo aza ny zavatra notantarainao, dia mino aho fa namonjy ny zanako Andriamanitra.

Nanganohano ny masony no nanohy izy, tamina feo nitory finoana sy fatokiana tsy ho hadinon’i Pierre mandrakizay, hoe : Nifanena tamin’ny Tompo tao ambanin’ny onja izy…

(rahampitso ny tohiny sady farany)