Alatsinainy 6 Novambra 2023

Fa vavolombelonareo aho fa raha azo natao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy. Galatiana 4:15

Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy. Galatiana 6:2

 

Fitsapana tsy azo ampifanakalozana

Nanatona ny dokoteran’izy ireo ny ray aman-drenin’ity zaza marary. Teny an-dalana dia hoy ilay raim-pianakaviana tamin’ny vadiny : „Mba satriko raha izaho mihitsy no marary, fa tsy ny zanatsika”. Nandritra ny fizahana dia niteny teny antsefatsefany teny ny dokotera hoe : „Hitanareo ? tsy misy misafidy ny aretiny”. Isika tokoa mantsy tsy mahafehy ireo fitsapana mihatra amintsika na mahazo ireo akaiky antsika, ary tsy afaka mihitsy hisafidy na hifanakalo azy ireo.

Ny mpino tany Galatia, nanoloana ny apostoly Paoly, dia nanana faniriana toy ny an’ilay raim-pianakaviana. Paoly dia nanana takaitra maha kilemaina, angamba aretina tao amin’ny maso. Tian’izy ireo ilay apostoly nitory ny Filazantsara taminy, hany ka satrin’izy ireo ho nanome ho azy ny masony ! Saingy tsy hay natao izany. Aoriana kely ao anatin’io taratasy io ihany ny apostoly dia nilaza fa „samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra” (Galatiana 6:5). „Ny fo no mahalala ny fangidian’ny alahelony”, hoy koa i Solomona (Ohabolana 14:10).

Tsy azo ampifanakalozana ny fitsapana ; ary ny Raintsika, Ray tsara fo, dia mahalala izay sahaza ny tsirairay (1 Petera 1:6). Mahalala izany Izy, araka ny fahendreny, ary mihevitra singa fototra marobe lavitra, izay tsy ho takatry ny saintsika voafetra. Fantany izany noho ny fiandrianany, ary afaka mampijanona ny fitsapana Izy, na manome endrika vaovao izany, na koa manalava azy. Fantany izany, araka ny hatsarampony : na oviana na oviana Izy tsy handao izay mitoky aminy, ary te hampahatsapa azy ny famonjen’ny fanatrehany.

Ny andinin-tSoratra Masina faharoa etsy ambony dia manasa antsika ihany koa hifanampy ao anaty fiombonam-po sy fitiavana.