Alahady 5 Novambra 2023

Ary izay mahantra rehetra, sy izay mpitrosa rehetra, ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy (tao amin’i Davida) ; ary izy no tonga mpifehy azy. 1 Samoela 22:2

(Hoy Jesosy :) Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho. Matio 18:20

 

Manodidina lehibe mpitarika tsy toherina

Ny mahavita manangona mpanohana maro manodidina ny tena sy ny hevitry ny tena dia iray amin’ny fepetra ilaina, mba hahatonga ho lehibe mpitarika ara-pôlitika na ara-pivavahana.

Ny tantaran’i Davida, izay niafara teo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely, dia nanomboka tany anaty zohy, nahatonga azy ho ivo sy lehibe mpitarika ireo very fanantenana nanatona azy. Tsy nisy fifantenana hafa, ankoatra ny fahantran’izy ireo. Ny namaritra azy ireo dia izy lany loharanon-kery amin’ny maha olona, nanana trosa, nanana fangidiana… Zavatra manome fara tsiro tsy telina an’ireo fifaliana mamy indrindra eto an-tany.

Ny olona tsirairay tamin’ireo izay nanatona an’i Davida dia nahita, teo aminy, valin’ny filany manokana. „Eto amiko no hahavoavonjy anao”, hoy i Davida (1 Samoela 22:23). Fa manoatra noho izany aza, izy ireo dia voantso ho amina fiaraha-miaina tsy nanana antony ankoatra ny fifikirana iraisany tamin’ilay mpanjaka nolavina.

Izany tao amin’ny Testamenta Taloha izany ve tsy efa akon’izay hita ao amin’ny Filazantsara ? Tsy misy famonjena afa-tsy ao amin’i Jesosy Kristy ; satria tsy misy anarana hafa nomena ny olona, mba hahazoantsika famonjena. Ary io anarana io koa, ny anaran’i Jesosy Kristy, no ampy tanteraka hanangona ny olony. Ny fampanantenany hoe „Ao afovoany Aho” dia azo antoka ho an’ireo izay afa-po amin’ny fanatrehany irery ihany, manaiky Azy ho ivon’ny fiainany, ary manoa ny fahefany. Ny vokatr’izany, ao amin’ny Fiangonana, dia fiaraha-miaina feno fifaliana manodidina an’i Kristy. Izy no Lehibe mpitarika tsy toherina, satria nanolotra ny ainy ho an’ny mpino tsirairay.