Asabotsy 4 Novambra 2023

Any am-parany any… ny olona ho tia tena, … tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny. 2 Timoty 3:1-5

Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko ; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro. Salamo 139:23

 

Very ny finoako

Misy olona sasantsasany miteny hoe : „Very ny finoako”, toy ny hilazany hoe : „Very ny poketrako”. Rehefa very poketra isika dia tsy mianina milaza izany fotsiny, fa manao izay rehetra hahitana azy indray. Mitebiteby isika, ary misahirana mikaroka azy.

Raha toa mantsy isika mihevitra fa very finoana, dia tokony hametra-panontaniana ihany koa. „Taloha ve aho nino an’Andriamanitra ? Ary ankehitriny ve tsy mino Azy intsony ? Nivavaka aho taloha, ary tsy mivavaka intsony ankehitriny ; namaky Baiboly aho taloha, fa ankehitriny kosa tsy mamaky intsony.” Dia hianina amin’izany fahatsapana izany fotsiny ve aho ? Tsia, fa tokony handeha lavidavitra kokoa.

Izany hoe, mipetraka an-kitsimpo sy tsy amin-tahotra eo anatrehan’Andriamanitra, ary milaza aminy fa te hampiany mba hahita hoe aiza ho aiza no misy ahy :

„Andriamanitra ô, tena Andriamanitro tokoa ve Ianao, tany aloha ? Fantatro fa Rain’i Jesosy Ianao. Nivavaka taminao amin’ny anarany izahay. Niara-nivavaka tamin’ny ankohonako sy tamina namana kristiana aho. Indraindray aho dia niantso Anao, nefa tamiko Ianao dia nijanona ho Andriamanitra teny lavitra eny. Afa-tsy tamina toejavatra vitsivitsy tena nilako fanampiana, ary marina fa namaly ahy Ianao…”

Raha milaza ho „very finoana” isika, dia mila manontany tena momba ny lasantsika. Ndao handinika marina ny tena fifandraisantsika tamin’Andriamanitra (2 Korintiana 13:5). Ny hoe manatona an’Andriamanitra na miverina aminy, dia ny milaza aminy hoe : „Tsy tena nahafantatra marina Anao aho”, na hoe : „Nanalavitra Anao aho” ; ary avy eo, mamaly am-patokiana ny antsony hoe : „Miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho” (Isaia 44:22). „Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” (Jeremia 31:3).