Zoma 3 Novambra 2023

Ny adala manao anakampo hoe : Tsy misy Andriamanitra. Salamo 14:1

(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Marka 13:31

 

Aza mety hofitahina ianao !

Fandaharana natao ho an’ny besinimaro ilay izy. Ny iray tamin’ireo mpandray anjara dia niteny tamin’ny feo hentitra hoe : „Tsy nisy velively Jesosy Kristy, tsy nisy diany hita ao amin’ny haifahagola, tsy misy intsony olona mino ireo tantara ao amin’ny Baiboly, tantara nosoratana ela taorianan’ny fahafatesan’ireo izay resahiny, ary angano fotsiny ihany ireo”.

Raha mba nilaza tamintsika moa ralehilahy io fa tsy mino an’Andriamanitra, na tsy afaka mahafantatra, na hoe tsy kristiana tsotra izao, dia maninona ? Manana zo tsy hino ny olona. Manana zo hanontany tena ny amina zavamisy, nefa kosa tsy manana zo hinia hanao ny zavamisy ho toy ny tsy misy. Hisy dindon-dralehilahy io ve ao amin’ny haifahagola, any aoriana any ? Tsy azo antoka izany. Nefa izy dia misy, ary reko niteny !

Misy olona sasany mandà tsy hino an’i Jesosy Kristy, na dia ho afaka mijery mifanatrika ny zavamisy aza. Misy hafa kosa, mino Azy nefa tsy voatery hahay hanome fototra mitombina ny amin’ny faharesen-dahatra ananany. Ary ianao, mba aiza ho aiza ianao ? Afaka mahita ianao fa nisy Jesosy Kristy, ary tsy izany ihany, fa mbola velona Izy ankehitriny ! Afaka manana fifandraisana manokana aminy ianao ankehitriny. Amin’ny fomba ahoana moa ? Ekeo fa marina ny fahitan’Andriamanitra ny momba anao, ary raiso ny fanafana atolony anao : minoa fa ny fahafatesan’i Jesosy Kristy dia fanonerana, natao hamafa ireo fahotanao, fahadisoanao, sy izay rehetra nihazona anao ho lavitra an’Andriamanitra, mandraka anhehitriny. Ny mino ny lanjan’ny sorona nataon’i Kristy, sorona mampihavana antsika amin’Ilay Mpahary antsika, dia mampahita antsika ny tena fiainana.

Koa aza mety hofitahina ianao ! Matotra loatra ireo zavamisy ireo, ary miankina amin’izay hanaovanao ireo ny ankehitrininao sy ny hoavinao.