Alakamisy 2 Novambra 2023

Izy… (no) Andriamanitro, Izay hitokiako… Ary ao ambanin’ny elany no hialofanao… Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, na ny zana-tsipìka manidina nony andro, na ny areti-mandringana mandeha amin’ny maizina. Salamo 91:2-6

Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

 

Tahotra

Rehefa voan’ny tsimokaretina coronavirus ireo olona voalohany tany Chine, tamin’ny desambra 2019, dia tsy nisy nahalala, na kely akory aza, ny niandry izao tontolo izao. Avy eo dia niparitaka faran’izay haingana ny coronavirus. Tsy hay notohaina. Samy nanantena ny tsirairay fa tsy hahatratra azy ilay tsimokaretina, ary arakaraka ny nanatonany no nahatonga ny tahotra hanenika ny mponina.

Fiovan’ny toetrandro, fanafihan’ny mpampihorohoro, tsimokaretina mampitanaka… Iza no mahafehy izany ?

Ny tahotra dia fohazina fandrahonana, izay mety mikendry ny aintsika, ny fahasambarantsika, ny fahasalamantsika, eny na ny fahavelomantsika mihitsy aza. Mainka moa raha fanafihana tsy haintsika toherina.

Koa aiza àry no misy ny tena anton’ny tahotra ?

Rehefa nandika ny didin’Andriamanitra ny mpivady voalohany, dia tafiditra tao anatin’ny fon’ny olombelona ny tahotra. Talohan’izany i Adama dia nanana fifandraisana mahafinaritra tamin’Ilay Mpahary azy, Izay tonga niresaka aminy rehefa ho hariva ny andro. Taorianan’io tsy fankatoavany io dia niafina izy mivady, satria natahotra (Genesisy 3:9).

Mba hialantsika amin’izany fahatahorana an’Andriamanitra izany, dia afaka manambara isika fa maty Andriamanitra, na miezaka manao ny fahamelohantsika ho toy ny tsy misy. Nefa ve ny fahafatesana, izay tambin’ny ota, tsy ilay loza lehibe indrindra mitatao amintsika rehetra ? Tsy misy afaka handositra azy. Ny fahafatesana tsy akory tsy olana ara-haiaina afaka vahana amina fitsaboana. Nefa aorianany misy ilay Any ankoatra. Azo antoka fa tsy miaro amin’ny tsimokaretina ny finoana ny Tompo Jesosy, nefa kosa manafaka antsika amin’ny fahotantsika, manome antsika ny fiadanana, ny fitsaharan’ny fanahy, ary ny fiainana mandrakizay. Andriamanitra dia Raintsika, ka tsy atahorantsika intsony ny fanatrehany sy ny fahamarinany.