Alarobia 1 Novambra 2023

Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. Hebreo 11:3

 

Ny fivoarana, rijan-kevitra tojo zava-manahirana ve ?

Vao manomboka mianatra ny ankizy, dia aseho aminy ny rijan-kevitra momba ny fivoarana, hoe fahalalana azo ara-tsiansa, voaporofo sy tsy iadian-kevitra. Nefa izy io dia petrakevitra, „rijan-kevitra tojo zava-manahirana” fotsiny ihany, araka ny lohatenin’ny bokin’i Michael Denton, mpahay aina aostraliana.

Ndao hanaisotra tao an-tsaintsika ny fiheverana io rijan-kevitra momba ny fivoarana io ho voaporofo ara-tsiansa : ny fiovana afaka hita eo amin’ny voary mantsy, na atao any amin’ny labôratoara, dia tsy mahakasika afa-tsy toetoetra ambinambiny ihany. Tsy misy eo amin’ireo vondrona zavamananaina, endrika antenatenany na teteza-mita hanaporofo fifandraisan’izy ireo. Ary indrindra, tsy nisy mpahay siansa nahavinavina rafi-pivoarana ahafahan’ny aina mipoitra avy amina zaka (matières) tsy manana aina. Ny zavamananaina rehetra hihetsika dia hatrany am-piandohana no efa mila rafitra sy firafi-pitaovana maro singa mifampidipiditra, izay hita kokoa hatrany, isanandro, ireo toetrany tsy fahita. Mba hampisy ny aina sy hitomboany, dia tsy ampy ny fisian’ny zaka sy ny angovo ao amin’ny voary. Mila singa fototra hafa, dia tambajotra-na zava-pantatra tena avo lenta, izay tsy afaka hisy raha tsy avy amina Aina ambony tsy hita fetra kokoa noho ny olombelona.

Amin’ny finoana, dia aoka ho takatsika fa Andriamanitra no Mpanao izao fahariana izao, ho voninahiny sy ho fahasambaran’ny olombelona. Ndao hidera Azy noho izany !