Talata 31 Oktobra 2023

… Mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany. 1 Korintiana 2:5

(Hoy Jesosy :) Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. Jaona 20:29

 

Porofo avy amin’ny haifahagola ve ?

„Tao an-tanànan’i Jerosalema dia tena nisy governora tokoa, tamin’ny vanimpotoana fahagola. Izany dia hamarinina fitomboka iray hita 2700 lasa izay, teo akaikin’ny rindrin’ny Fitomaniana, tao amin’ny tanàna tranainin’i Jerosalema. Ny Testamenta Taloha dia manamarika ny fisiana mpitondra fanjakana toy izany, ary porofo mivaingana milaza izany ilay sombina tanimanga.” Nahaliana ahy io lahatsoratra an-gazety nivoaka tamin’ny volana avrily 2018 io, saingy tsy miorina amina singa toy izany ny finoako sy ny fahazoako antoka.

Efa hatrizay hatrizay ny olona no nitady porofo. Fony tetỳ an-tany Jesosy, dia nitakiana famantarana mahagaga. „Ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe : Mpampianatra ô, ta hahita famantarana avy aminao izahay” (Matio 12:38). Amin’ny sain’olombelona, ny fahagagana dia manaporofo ny hery ary afaka hahatonga ho mino. Nefa Jesosy mahafantatra tsara ny maha isika antsika ! Noho izany Izy dia tsy natoky ireo izay nino fotsiny noho ny fahagagana (Jaona 2:24-25).

„Ny finoana dia avy amin’ny toriteny ; ary ny toriteny kosa, avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17). Andriamanitra no miteny amintsika, ao amin’ny Baiboly. „Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana ho amin’ny fahamarinana” (2 Timoty 3:16). Raha misalasala momba ny teniny, dia tsy manome haja Azy. Fa raha mino izay lazainy kosa, dia maneho aminy ny fatokiantsika Azy. „Eo akaikinao ny teny” (Romana 10:8). Azontsika tsirairay ampiasaina izy io, azon’ny rehetra raisina. Ny andraikitsika dia ny mandray azy ao anatin’ny fontsika sy ny miaina azy, tsy mitady fanaporofoana avy amin’izay fahendren’olombelona.