Alatsinainy 30 Oktobra 2023

(Hoy Jesosy :) Fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony ; dia hivoaka izy : izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana ; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana. Jaona 5:28-29

 

Inona no hoheverina momba ny maty miverina mitafy nofo indray (réincarnation) ?

Io finoana tranainy io dia fototra iorenana karazam-pivavahana sasantsasany : hindoisma, bodisma, sns. Ny fanahin’ny olona, hono, rehefa maty, dia mahita vatana hafa indray, honenany.

Miha miely any amin’ny firenena tandrefana ny eritreritra „réincarnation”, ary misy aza mihevitra fa afa-miaraka amin’ny finoana kristiana izy io, ampitoviany amin’ny fitsanganana velona indray. Ny marina anefa, dia mifanohitra tanteraka amin’ny ampianarin’ny Baiboly ny „réincarnation”. Io fiheverana io dia mampiseho ny fikorontanan’ny sain’ny olombelona manoloana ny fahafatesana, sy ny filany hanilika ny vokatry ny fitondrantenany. Inona no misy aorianan’ny fahafatesana ? ary inona, ho ahy, no ho vokatry ny fomba niainako ?

Voalohany aloha, io lazaina ho „réincarnation” io, hono, dia ny fidiran’ny fanahintsika eto an-tany ao anatina vatana iray hafa an’olona mpanota, na vatana biby.

Hafa tanteraka ny fitsanganana velona indray. Ny vatantsika mantsy dia toy ny voa alevina ao amin’ny tany ka maty, mba hanome zavamaniry vaovao mitovy toetra aminy, saingy hafa endrika : „Afafy tena araka ny fomban’aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy” (1 Korintiana 15:44).

Ambonin’izany, hazavain’i Jesosy fa hitsangana avokoa ny olona rehetra, nefa izany dia „fitsanganana ho fiainana”, ho an’izay nanao ny tsara irery ihany. Dia mipetraka àry ny fanontaniana hoe : „Nanao ny tsara ve aho ?” Mazava tsy misy isalasalana ny ambaran’ny Baiboly momba izany : „Tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Romana 3:12). Koa hitsangana homelohina ve izany aho ? Jesosy dia manome toky izay mino, hoe : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty, mandrakizay” (Jaona 11:25-26).