Alahady 29 Oktobra 2023

Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo. Jaona 20:31

 

Ilay andro nisokafan’ny zavatra rehetra

Ny Filazantsara araka an’i Lioka toko faha-23 dia mifarana amina takariva mampalahelo. Nalevina tao am-pasana Jesosy. Tsy nisy fanantenana intsony, ho an’ny mpianany. Fa ny toko faha-24 kosa dia misokatra eo amina andro vaovao : nitsangana velona indray Jesosy, foana ny fasana ! Dia hisokatra avokoa ny zavatra rehetra.

Rehefa tonga ry Maria sy vehivavy hafa niaraka taminy, dia efa nakodian’ny anjely ny vato : nisokatra ny fasana (and 2).

An-dalana ho any Emaosy ireto mpianatra roa lahy, nihidy fo noho ny alahelo. Nefa nisy Olona iray nanatona, niara-dalana tamin’izy ireo. Nohazavainy azy ireo, tamin’ny alalan’ny bokin’i Mosesy sy ny mpaminany, „ny hevitry ny teny milaza Azy”. Nisokatra tamin’izy ireo ny tena hevitry ny Soratra Masina (and 27-32).

Rehefa nangataka ireo mpianatra hoe : „Mitoera atỳ aminay ; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro”, dia nisokatra ny trano ary „niditra hitoetra tao aminy Izy” (and 29). Teo am-pisakafoana dia nandray ny mofo Izy ary nisaotra sy nizara izany tamin’izy ireo. Nisokatra ny mason’izy ireo (and 31) ka fantany Jesosy. Nisokatra ny fon’izy roa lahy, ary faly tokoa izy niverina tany Jerosalema, nitantara ilay vaovao mahatalanjona tamin’ireo mpianatra hafa. „Dia nanokatra ny sain’ireo [mpianatra rehetra] Izy hahalala ny Soratra Masina” (and 45).

Taoriana kely dia nihidy aman-trano ireo mpianatra, noho ny tahotra (Jaona 20:19). Tonga teo afovoan’izy ireo ny Tompo. Nahazo hery sy feno fifaliana izy ireo, ka afaka nanokatra midanadana ny varavarana, mba handeha hanambara ny nitsanganan’Ilay Mpamonjiny velona indray.

Notorina ny famelan-keloka. Nisokatra ny vavan’izy ireo, nidera an’Andriamanitra noho izao famonjena lehibe aoka izany izao.

Talohan’ny nampiakarana Azy ho any an-danitra dia nanangana ny tanany Jesosy, ka nitsodrano azy ireo.