Asabotsy 28 Oktobra 2023

Ary Jesosy nony nahita azy (Maria) nitomany, sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka toran-kovitra Izy ; ary hoy Izy : Aiza moa no nandevenanareo azy ? Dia hoy ireo taminy : Tompoko, andeha hizaha. Jesosy nitomany. Jaona 11:33-35

 

Mahay miombom-po ve isika ?

„Jesosy nitomany.” Io andinin-tSoratra Masina io no fohy indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Miteny amin-kery amintsika izy io. Ny nirin’ny Tompo dia ny hanasitrana ireo fo vaky, sy hiaraka „mitomany amin’izay mitomany” (Romana 12:15). Fiombonam-po toy inona moa no hita ao anatin’io tomanin’ny Tompo io ! Vao avy nilaza ny tenany ho Ilay „fananganana ny maty sy fiainana” Izy (Jaona 11:25), ary avy hatrany taorianan’izany dia olona nitomany teo anilana ankohonana namoy hava-malala.

Tao amin’ny teny nanaovany veloma ny mpianany Jesosy dia nampandefitra ny fangirifiriany manokana, ary tsy nitady afa-tsy ny hampitony ny an’ireo mpianany : „Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27). An-dalana ho eo amin’ny hazofijaliana Izy no niherika ary nampitony ireo izay nanaraka Azy, nitomany (Lioka 23:27-28). Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia niondrika tam-pitiavana nijery an’i Maria, ilay reniny feno tebiteby, ary nanolotra azy „zanaka” sy trano honenana (Jaona 19:26-27).

Toy ny Tompontsika, dia ndao hivonona hihaino ireo izay mijaly, „hiantra ny reraka sy ny malahelo”, amin’ny finiavana hanamaivamaivana ny fijalian’izay „ory tsy manan-kamonjy” (Salamo 72:13, 12).

Rehefa mangataka ny fanampian’ny Tompo isika, dia aoka hihevitra ihany koa hanatona ireo izay misaona, ary hampahatsiahy azy ireo hoe : „Izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy… hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4:16-17).