Zoma 27 Oktobra 2023

Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy ? Matio 16:26

 

Fitantanana tsara na ratsy (2)

Tsara vakina : Lioka 12:16-21

Satria kristiana isika, dia tokony hiasa, mba hiantohantsika izay ilaintsika ara-karena (2 Tesaloniana 3:8-12). Fantatr’i Jesosy fa mila hanina isika, mila trano honenana sy fananana hafa ara-karena. Hoy Izy amintsika : „Fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo” (Matio 6:8). Na izany aza anefa dia hoy koa Izy : „Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” (and 33).

Ilay lehilahy mpanankarena lazain’ny fanoharana ao amin’ny Lioka 12, izay nikajikajy ny toerana hanangonany ny vokatra, dia arakaraka ny nananany harena kokoa teo amin’ny lafiny ara-karena no nampahantra azy kokoa teo amin’ny lafiny ara-panahy. Nihevitra izy fa afaka hiaina sy hiroborobo ao amin’ny tontolo keliny mifantoka amin’ny tenany samirery : „Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao ; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia”. Niteny izy, toy ny hoe mahafehy ny fizaran-taona, manome antoka fa hahavokatra ny tany, ary mibaiko ny ranonorana sy ny masoandro… Eo indrindra no fahadalana, manao ny olona ho ivon’ny fiainana, ka tsy manome toerana mihitsy ho an’Andriamanitra ! Tsapa fa ity olona ity dia nanjary tafiditra lalina aoka izany tamina fandraharahana lehibe sy zavajavatra tsy misy dikany, hany ka nanadino ny nanomana ny hoaviny mandrakizay. Nefa tonga tampoka ny fahafatesana, nanafoana avy hatrany ireo tetik’asa mahafinaritra rehetra najorony !

Inona moa no zava-dehibe kokoa ? Manangona fananana ve, sy manararaotra araka izay azo atao ny androm-piainana fohy omena antsika eto an-tany, mba hahazo izay mahafaly antsika ? Sa misaintsaina hahafantatra hoe aiza no hisy ny fanahintsika any amin’ny mandrakizay ?