Asabotsy 30 Desambra 2023

Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka aminy. Nahoma 1:7

 

Mitoky amin’Andriamanitra, Izay tia antsika

„Tsara Jehovah.” Ny toejavatra mitranga eo amin’ny fiainantsika dia mety ho tsaratsara na antonintoniny. Na izany aza anefa, dia mahafaly ny mahafantatra fa Ilay Andriamanitsika kosa dia tsara mandrakariva. „Sady tsara Ianao no Mpanao ny tsara” (Salamo 119:68). Tia antsika Izy, ary avy amin’ilay fony feno fitiavana avokoa izay rehetra avelany hitranga eo amin’ny fiainantsika ; araka izay kasainy mandrakariva no ataony. Ny apostoly Paoly dia nanoratra avy any amina tranomaizina romana hoe : „Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo” (Filipiana 4:4). Tsy afaka ho faly mandrakariva ao amin’izay iainantsika isika, nefa kosa afaka mahita mandrakariva ny fifaliantsika ao amin’ny Tompo, satria tsara Izy (Salamo 107:1).

„Fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana.” Ho an’ny mpino, ny Tompo mihitsy no mitoetra ho Ilay miaro sy mampahery. Tanterahiny mandrakariva izay ampanantenainy. Ho an’ireo izay mametraka ny fitokiany aminy, Izy dia tahaka fialofana amin’ny andro fahoriana. Rehefa very hevitra izy ireo, na tafalatsaka ao anaty toejavatra sarotra, dia ao no ahitany fitsaharana sy fiarovana.

„Mahalala izay mialoka aminy.” Mahatalanjona ny mahafantatra fa mahalala antsika Andriamanitra ! Tsy vitan’ny hoe fantany ny anarantsika (Jaona 10:3), fa na ny volon-dohantsika aza dia voaisany (Lioka 12:7). Izy Andriamanitra mihitsy dia mahalala ireo izay nanoloran’i Jesosy ny ainy ary antsoiny hoe ondriny (Jaona 10:14-15). Fahalalana lavorary sy akaiky dia akaiky anie izany e !

Isika ve mahay mialoka eo amin’ny Tompo, rehefa ao anaty fikorontanana ?