Alahady 19 Marsa 2023

Jehovah ô, afaho ny fanahiko ; vonjeo aho noho ny famindramponao. Salamo 6:4

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra. 1 Timoty 2:5-6

 

Mila Mpamonjy ve aho ?

Tena mino an’Andriamanitra aho, ary manaiky fa marina ny Filazantsara ; ekeko ny porofon’ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesosy Kristy ho velona indray. Tsy ampy ve izany ? Tsia, fa mba ho voavonjy, dia mbola tsy maintsy mahatsapa fa mila hafahana amin’ireo fahotan’ny tena. Koa iza no afaka mamonjy ahy amin’ny famaizana sahaza ahy noho ny fahamelohako ? Iza no afaka manonitra ny faniratsirana an’Andriamanitra tamin’ny nanomboan’ny olona an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana ? Izy Ilay marina, Ilay nirahin’Andriamanitra Ray, Ilay Zanaka Lahitokana malalany. Ny fitiavan’Andriamanitra no mamaly hoe : Jesosy irery ihany ! Ilay nataon’ny olona tsinontsinona, nankahalainy, nolaviny, nohomboany teo amin’ny hazofijaliana, Izy irery ihany, satria sorona masina sy madio Izy, no afaka nitondra teo amin’ny hazofijaliana ny famaizana sahaza ireo faniratsirana rehetra nataontsika. Kristy ô, ny fiantranao lalina Dia manohina anay sy miditra ao anatin’ny fonay, Maty Ianao noho ny otan’izao tontolo izao : Ianao irery no Andriamanitra Mpamonjy anay ! Jesosy, anarana midika hoe Andriamanitra Mpamonjy, no tena Ilay tokony handrandrain’ny masontsika mba hahavoavonjy antsika. Ny hoe voavonjy dia midika hoe nomena antoka tanteraka fa raha mino ny anarany isika, dia afaka tanteraka amin’ny ratsy rehetra ao anaty fontsika. Ary mihoatra noho izany, ankehitriny io fo io dia afaka ho ampoky ny soa omen’ireo fanomezan’i Jesosy. „Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo” (Jaona 14:27), hoy Izy tamin’ny mpianany, talohan’ny nizorany ho eo amin’ny hazofijaliana. Ao aminao, ry Andriamanitra Mpamonjy, no ananako ny fiadanam-po ; Nataonao ho ahy ny zavatra rehetra ; ary eo amin’ny fahamarinanao no iorenan’ny finoako.