Alatsinainy 20 Marsa 2023

Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be. 1 Timoty 6:10

 

Jodasy sy Simona Petera (3) — Fampitandremana

Jodasy dia niaina teo akaikin’i Jesosy. Vavolombelon’ny fahagagana maro nataony izy. Nirahina mihitsy aza izy handroaka demonia sy hanasitrana ny marary, amin’ny anaran’i Jesosy (Matio 10:1-4). Etỳ ivelany izy dia toy ireo sasany rehetra ihany ! Rehefa nanambara tamin’ny mpianatra roa ambin’ny folo Jesosy fa hamadika Azy ny iray amin’izy ireo, dia tsy nisy niahiahy an’i Jodasy. Nefa ny anaran’i Jodasy, ao amin’ireo filazantsara, dia mifamatotra mandrakariva amin’ny hamadihany atỳ aoriana. Andriamanitra tsy azo fitahina !

Marina tokoa fa tranga tsy manam-paharoa ny momba an’i Jodasy, nefa tena mampitandrina mafy antsika. Tena mety haha sodoka ny hafa ny fandehanana any am-piangonana, ny filazana ny tena ho „kristiana”, ny fanononana lalandava ny anaran’i Jesosy. Nefa na oviana na oviana izany dia tsy hahatonga anao ho tena mpianatra, ary tsy hamonjy anao. Tsy maintsy manana ny finoana ianao, manana fifandraisana manokana amin’i Jesosy. Ao amin’ireo olo-maro mitonon-tena ho kristiana, dia avahin’i Jesosy ny tena kristiana, kristiana am-po, sy ireo kristiana ivelambelany fotsiny. Ny tantaran’i Jodasy dia mampiseho fa tsy mba voakasiky ny fitiavan’i Jesosy mihitsy ny fony.

Lafiny iray hafa momba an’i Jodasy : tia vola izy, ka nanjary mpangalatra. Nampiasain’i Satana izany hisintonany azy ho lavitra an’i Jesosy. Farany dia azony izy, ka very noho izany.

Satana dia misintona ny olona amina fitsiriritana maro isan-karazany, ary te hisarika azy ireny hanaraka azy, ho any amin’ny fahaverezana. Tsy fantany ny atao hoe fitiavana, tsy tia an’iza na iza izy. Aza manantena fanampiana avy aminy, na kely aza, ao anatin’ny fahoriana. Tompo tsy misy indrafo sy lozabe izy, ka hamela anao ao anatin’ny famoizam-ponao. Fa toy inona kosa ny fitiavan’i Jesosy an’i Simona Petera ! Toy inona ny nikarakarany azy !