Asabotsy 18 Marsa 2023

Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany. 2 Petera 3:3

Ny Tompo… mahari-po aminareo… ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. 2 Petera 3:9

 

Fanebahana mampidi-doza

Teo amina filazana manjo iray tao anaty gazetim-paritra, dia nahitako hoe : „Tsy ny hafa ihany no tratran’izany, fa Izaho (anarana sy fanampin’anarana), dia nandao anareo tamin’ny… Veloma, sangisangy ihany ny fahafatesana, ka aleo ihomehezana”.

Marobe ny mpampihomehy amin’ny endriny samihafa. Ao anatina tontolo mpandiso fanantenana, moa mety ho fanasitranana ve ny hehy ? Ny Baiboly dia mampitandrina antsika fa „na mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, ary ny faran’ny hafaliana dia alahelo” (Ohabolana 14:13). Ary azo ihomehezana avokoa ve ny zavatra rehetra ? Ny fahafatesana, „ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra” (Joba 18:14) ve azo tebahina ? Mampidi-doza izany, ka mampitandrina antsika Andriamanitra fa aorianan’ny fahafatesana dia hisy fitsarana (Hebreo 9:27), ary Andriamanitra tsy azo vazivazina (Galatiana 6:7). Mba tsy hahavoaheloka antsika, dia taominy isika hahafantatra sy hino izay lazainy. Izy dia „tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:4). Asehon’ny Baiboly antsika fa meloka eo anatrehany isika. Mila hafahana amin’io fahamelohana io avokoa isika rehetra, mba ho vita fihavanana amin’Andriamanitra. Jesosy dia „nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (Titosy 2:14). Raha mino an’i Jesosy isika, ny fahafatesana dia hampiditra antsika any am-paradisa, hiaraka aminy. Raha mandà tsy hino Azy isika, ny fahafatesana dia hampiditra antsika any amin’ny toerana izay misy ny fijalijaliana, ny famoizam-po, ny nenina, ho anjara mandrakizay ho an’ny tsy mpino ; amin’izay, tsy hisy toerana ho an’ny vazivazy intsony.

Ny fifandraisako amin’Andriamanitra androany no mamaritra ny hoaviko mandrakizay. Androany dia miteny amintsika Jesosy hoe : „Mibebaha ianareo, ka minoa ny filazantsara” (Marka 1:15).