Zoma 17 Marsa 2023

Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho, ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy. Romana 10:20

 

Toa lavitra ny fiheverako an’Andriamanitra

„Tena mbola kely aho no namoy ny ray aman-dreniko. Ny hany fianakaviako dia ny zandriko lahy sy ny zandriko vavy ; efa-taona aho tamin’izany. Natsangana fianakaviana kristiana feno fitiavana, avy ao Ardèche, ho zanany izahay.

Koa niha lehibe tao amina tontolo zatran’ny Baiboly aho. Nandeha nianatra sekoly alahady izaho sy izy mianadahy zandriko. Niezaka nampahafantatra anay ny Tompo Jesosy ireo ray aman-dreny nanangana anay. Namaky ny Baiboly isan-kariva izahay, teo anivon’ny fianakaviana. Nahazo ny Baiboliko voalohany manokana ho ahy aho nony 13 taona, tamin’ny tsingerintaona nahaterahako. Tsy nisaraka tamiko intsony io boky io, nataoko tao anatin’ny entako rehefa voatery nisaraka tamin’ny fianakaviako aho, noho ny fianarana.

Dia nanirery indray aho. Teo dia tsapako ho toa lavitra Andriamanitra, Izay noheveriko ho fantatra. Maina ny foko, nikomy tamin’ny fiarahamonina. Fahalalana ara-tsaina ihany no nananako momba ny Baiboly.

Indray maraina, teo am-perinasa aho no naneho tampoka ny tenany tato am-poko Andriamanitra. Tsy haiko hazavaina hoe nahoana, fa niova aho, nanomboka tamin’io „fanehoana” io. Rehefa namaky ny Baiboly aho dia nahatakatra fa namela ny heloko ny Tompo ary namonjy ahy, satria nino Azy aho.

Natao batisa aho ny volana desambra 1973. Avy eo aho dia nanomboka nanompo an’i Jesosy sy nijoro ho vavolombelony. Nifanena tamin’ilay hanjary ho vadiko aho, ary tianay ny hanohy hiara-manompo ny Tomponay sy hiresaka Azy eo amin’ny manodidina anay.”

Évelyne