Alakamisy 16 Marsa 2023

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

 

Mihevitra antsika ve Andriamanitra ?

Tsy mandà ny fisian’Andriamanitra ny olona sasany, nefa mihevitra fa tsy miraharaha ny olombelona Izy. Toy izany ity tovolahy mpianatra tafara-dia tamiko.

— Misy mpahay siansa miaiky fa tsy maintsy misy izany Andriamanitra izany, hoy izy tamiko, nefa tsy misy na inona na inona manaporofo fa mihevitra ny fiainan’ny olombelona Izy.

— Mahery Andriamanitra, matoa nampisy ny zavatra rehetra, ary koa, tena marani-tsaina !

— Marina izany, hita miharihary eo amin’ny voary izany.

— Andriamanitra dia nanao antsika hitovy endrika aminy, ary namela ny olona tsirairay mba hahatakatra, na dia amin’ny ampahany ihany aza, ny fahendreny. Nefa ve tsy misy zavatra hafa mandrisika sy mitarika ny tsirairay amintsika ?

— Ny fitiavana ve ? hoy izy nanolo-kevitra rehefa avy nisalasala kely.

— Ka io Andriamanitra tena mahery sy marani-tsaina io ve, Izay nampita izany fahaizana izany tamin’ny olona, ary nanome azy koa toetra afaka mitia, azonao eritreretina ho tsy manam-pitiavana goavana ho an’ny olona noarìny sy novolavolainy ? Ohatra ny niaiky izany izy, ary nanontany ahy hoe :

— Ahoana no hahitana ny fitiavany ?

Nosokafako ny Baiboliko, ary nasaiko izy hamaky io andinin-tSoratra Masina eo ambony io : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao…”

— Ilaina saintsainina izany, mahaliana ahy…

Nanaiky handray Filazantsara iray izy, ary roboka namaky azy. Izaho kosa nivavaka tato am-poko, mba hitarihan’Andriamanitra azy ho amin’ny finoana.