Alarobia 15 Marsa 2023

Tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala… fa ny ra soan’i Kristy. 1 Petera 1:18-19

 

Ohatrinona ?

380 tapitrisa euros ! Izany no vidin’ny sary hosodoko lafo indrindra eto amin’izao tontolo izao, hosodoko nataon’i Léonard de Vinci, ilay hoe „Salvator Mundi” (Ilay Mpamonjy izao tontolo izao), sary manatrika, notombanana ho maneho ny tarehin’i Jesosy.

Mety hipetraka ny fanontaniana hoe : Inona no maha lafobe toy izany an’io hosodoko io ? Na dia tsy tia namela sarin’i Jesosy Kristy aza Andriamanitra, dia navelany ihany haneho ny tarehiny ny hosodoko lafo indrindra eto amin’izao tontolo izao. Navelany koa ho ampahany amin’ny Baiboly no boky voatonta lafo indrindra eto amin’izao tontolo izao, dia soratanana firaketana ny boky Salamo, namidy 12 tapitrisa euros. Ny Baiboly koa no boky miely indrindra manerana izao tontolo izao.

Izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny vola nanombanana an’i Jesosy nandritra ny fiainany ! Sekely volafotsy telopolo, vola kely dia kely (vidina andevo, na karama iray volana ho ana mpiasa tany), no namadihana sy nivarotana Azy tamin’ireo fahavalony, izay namono azy ho faty. Tsy nasiana vidiny ny ainy, tamin’izany fotoana izany !

Ny Baiboly anefa dia miresaka Azy amintsika ho Ilay Zanak’Andriamanitra, sady Andriamanitra mihitsy, tonga nanolotra ny tenany mba hisolo toerana antsika ary hanefa araka izany ny tambin’ny fahotantsika. Tsy azo eritreretina fa misy fanomezana lafo vidy noho izany. Mba takatrao ve fa lafo vidy aoka izany eo imason’Andriamanitra ny ainao ? Andriamanitra dia nanome ny Zanany, ary tsy niandry na inona na inona tamintsika ho valin’izany, afa-tsy ny hinoantsika Azy.

Ary isika, tombanantsika ohatrinona Jesosy ? Sekely volafotsy telopolo toy ny nataon’ireo namono Azy ve, sa vola tsy hay tombanana, satria Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra maty mba hamonjy ahy ?