Talata 14 Marsa 2023

(Hoy Jesosy :) Raha mangataka zavatra amiko amin’ny anarako ianareo, dia hataoko izany. Jaona 14:14

Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana. Efesiana 6:18

 

Iza no tokony hivavahana ?

Ny Ray ve no tokony hivavahana, sa ny Tompo Jesosy ? Ny marina dia hoe samy mivavaka amin’Andriamanitra hatrany izany. Tsy tokony hampikorontan-tsaina antsika io fanontaniana io, na hametra ny fiainam-bavaka iainantsika.

Ao amin’ny Baiboly dia ahitana fampaherezana maro mba hivavaka amin’ny Ray sy hitsaoka Azy, amin’ny anaran’i Jesosy (ohatra, Efesiana 5:20). Fa misy koa ireo vavaka atao amin’ny Tompo Jesosy tenany mihitsy. Toy izany no nangatahan’ireo apostoly hoe : „Ianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fo…” (Asan’ny Apostoly 1:24). Stefana dia nivavaka hoe : „Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko !” (7:59). Ananiasy dia nivavaka ho an’i Saoly avy any Tarsosy hoe : „Tompoko, efa reko… ny ratsy nataon’izany lehilahy izany” (9:13).

Samy Andriamanitra, na ny Ray na ny Zanaka, ary iray Izy ireo : izay mahakasika ny Ray dia mahakasika ny Zanaka, ary koa, izay mahakasika ny Zanaka dia mahakasika ny Ray. Na mivavaka amin’ny Ray isika na amin’ny Zanaka, dia mivavaka amin’Andriamanitra. Rehefa nangataka ny hivavahana amin’ny Ray amin’ny anarany ny Tompo, dia nanampy hoe : „Dia hataoko izany”. Ny fangatahana dia atao amin’ny Ray, ary ny Zanaka no manatanteraka azy. Izy ireo izany dia samy tafiditra ao anatin’ny fangatahana atao sy ny famaliana. Ny marina dia hoe ireo Aina telo, Izay samy Andriamanitra, no voakasika : mivavaka amin’ny Ray isika, amin’ny anaran’ny Zanaka, ary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (Efesiana 6:18 ; Joda 20). Marihina fa ny Baiboly dia tsy milaza vavaka atao amin’ny Fanahy Masina.

Araka ny maha zanak’Andriamanitra antsika, dia mivavaka amin’ny Ray isika, momba izay ilaintsika, satria miahy antsika Izy (1 Petera 5:7). Mivavaka amin’ny Tompo Jesosy, Ilay Mpiandry tsara, isika, rehefa maniry hangataka Azy mba hitahy ny Fiangonany, na mba hanompoantsika Azy ao amin’ny Filazantsara.