Alatsinainy 13 Marsa 2023

(Hoy Jesosy tamin’i Petera :) Anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Hoy Petera taminy : Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Matio 26:34-35

Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe : Tsy fantatro izany Lehilahy izany ; ary niaraka tamin’izay, dia nisy akoho naneno. Matio 26:74

 

Jodasy sy Simona Petera (2) — Simona Petera

Toa an’i Jodasy, Simona Petera dia nofidin’i Jesosy manokana (Matio 10:2-4). Niaiky izy fa mpanota (Lioka 5:8), ary nahatakatra fa Jesosy no Ilay „Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16:16 : Zanak’Ilay Andriamanitra velona). Nanana fifamatorana manokana amin’i Jesosy izy, nino Azy, ary nanaiky Azy ho Tompony. Tsy mba toy izany mihitsy i Jodasy.

Nefa natoky tena i Simona fa hanaraka an’i Jesosy, satria niantehitra tamin’ny fitiavany Azy. Rehefa nampitandrina azy Jesosy fa handà Azy izy ny alina manaraka, dia nanizingizina i Simona fa tsy hanao izany. Tamin’io alina mampalahelo io anefa, teo ampelatanan’ny fahavalony i Jesosy, nivadihan’i Jodasy sy natolony, ka niala tamin’i Simona ny herimpony, ary nandà ny Tompony intelo izy : „Tsy fantatro izany Lehilahy izany”, sady niozonozona mihitsy aza.

Na dia tototry ny fanarabiana sy ny fiampangana lainga aza Jesosy, dia tsy nanadino an’i Simona. Tamin’io fotoana io indrindra, nitodika Jesosy ary nijery azy. Takatr’i Simona ny fahadisoany. Nanenina izy ka nitomany mafy (Lioka 22:54-62). Fantany fa mbola tian’i Jesosy hatrany izy, ka tsy handeha hananton-tena, toa an’i Jodasy. Tsia, Jesosy no nifampiraharaha taminy, fa tsy i Satana ! Efa nivavaka mialoha ho azy Jesosy, mba tsy ho levona ny finoany (Lioka 22:31-32). Ny fijerin’i Jesosy, feno fitiavana sy nalahelo, dia nanaporofo tamin’i Simona fa tsy nandà azy Jesosy ! Io fijery io no hiaro azy tsy hamoy fo.

Taorianan’ny nitsanganany velona indray, Jesosy dia niseho mitokana tamin’i Simona Petera, tsy nisy vavolombelona. Mbola mpianany hatrany izy. Tatỳ aoriana dia mbola nikarakara azy hatrany Jesosy. Nankinin’i Jesosy ampahibemaso taminy ny fikarakarana ireo ondriny izay hino Azy, na kely na lehibe (Jaona 21).