Alahady 12 Marsa 2023

Fa Kristy kosa, rehefa tonga… nitondra… ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina, ka nahazo fanavotana mandrakizay. Hebreo 9:11-12

Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha. Hebreo 10:10

 

Indray mandeha tsy miverina

Fahiny Andriamanitra dia nanome torolalana ho an’ny olony, momba ny famelana ny fahotana : nisy biby tsy maintsy natao fanatitra isam-potoana, fanatitra nohavaozina tsy ankijanona, manaporofo fa tsy nety afaka ho mandrakizay ny ota. Koa tsy nisy olona afaka hiadana, manana fieritreretana milamina eo anatrehan’Andriamanitra (Hebreo 10:1-4). Ireny fanatitra ireny dia nampahatsiahy ny fisian’ny ota, ary maneho ny fahari-pon’Andriamanitra. Izy ireny dia nanambara mialoha Ilay fanatitra nomanin’Andriamanitra tao amin’ny Zanany Lahitokana, dia Jesosy, Ilay „Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29).

Fa ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana kosa dia tanteraka indray mandeha tsy miverina. Koa tsy iverenana intsony ny famelan-keloka azo. Ny epistily ho an’ny Hebreo dia manindry ny fahasamihafana teo amin’ireo sorona fanatitra fahiny sy ilay sorona notanterahin’i Jesosy. Talohan’ny nialan’i Jesosy aina, dia niteny Izy hoe : „Vita !” (Jaona 19:30).

Ireo mpisoronabe fahiny dia tsy maintsy nitsangana, mba ho afaka manavao ireo fanatitra. Fa Jesosy Kristy kosa dia niakatra any an-danitra, nipetraka, ary „efa afaka amin’ny ota” (1 Petera 4:1). Izany dia mampiseho fa tsy azo iadian-kevitra intsony ny famelan-keloka azo. Voavaha ho mandrakizay ny olana !

Misy lahatsoratra hafa mbola manantitra izany :

Nanolotra ny tenany indray mandeha tsy miverina Izy, mba hanesorany ny fahotana (Hebreo 7:27). „Efa naseho indray mandeha tamin’izao farany izao Izy, mba hanafaka ny ota, tamin’ny nanaterany ny tenany” (Hebreo 9:26). Koa izay mino Azy dia voavonjy mandrakizay ! Tsy misy afaka manome ny mpino fiadanana mafy orina kokoa noho ny fiteny hoe : „Indray mandeha tsy miverina”.