Asabotsy 11 Marsa 2023

Ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra, noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny, mba hahazoako an’i Kristy. Filipiana 3:8

 

Tena tsara dia tsara

Teraka tao amina tanàna malaza iray i Saoly, anisana fianakaviana nanankarena, ary nahazo fanabeazana tena tsara. Tsy nisy nafana fo toa azy tamin’ny fivavahana jiosy, ilay fivavahan-drazany. Nampitsiriritra tokoa ny toerana nisy azy. Nefa nisy fiovan-dalana tanteraka, nanamarika ny fiainan’i Saoly, izay hanjary ho ny apostoly Paoly. Nandeha ho any Damaskosy izy mba hanenjika ireo kristiana, no nifanena tamin’i Jesosy. Nanova azy io fifanenana tsy fahita io, ka nampitsimbadika ny mari-pandrefesany ny soatoavina. Izao izy dia nahafantatra an’i Jesosy Kristy ho Tompony, ka oharina amin’izany dia tsy nisy intsony zavatra hafa nahasarika azy. Izay momba an’i Jesosy, nanomboka teo, no nanjary „ny zavatra tsara indrindra”. Ka nivavaka izy mba ho toa azy ny kristiana, hahatakatra ny lanja goavana ananan’ireo zavatra ireo. Mifamadika amin’izany kosa, ireo tombontsoany manokana rehetra tany aloha, izay rehetra noheveriny ho nampitsiriritra fahiny, dia nataony ankehitriny „ho taimboraka”. Fiovana moa izany ! Toa an’i Paoly, ny kristiana dia manana Sakaiza mahatalanjona, manakona ny zavatra rehetra omen’ny olona lanja lehibe : kolontsaina, fanabeazana, harena, hafanam-po ara-pivavahana, sns. Mahafantatra an’i Jesosy Kristy izy. Ny tena antom-pahavelomany, dia ny handroso amin’ny fahalalana ny Tompony, sy ny hahatakatra bebe kokoa hatrany „ny zavatra tsara indrindra”, dia izay maha Izy Azy an’i Jesosy, ny asany, ny fitsanganany velona indray, ary ny voninahiny. Ry ivo-na hazavana tsy hita lany, ivo mamirapiratra, Masoandro mamiratra toy ny tavan’Andriamanitra, Eo amin’ny hazavanao no ahaterahanay ho amin’ny fiainana Ary andosiran’ny haizina avy ao anatin’ny fonay.