Zoma 10 Marsa 2023

Jehovah dia namaly an’i Joba ka nanao hoe : … Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany ? … Teo amin’inona no nanorenana ny vodiandriny ? Joba 38:1-6

Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ny fahalalahan’ny tany ? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany. Joba 38:18

 

Fitadiavana izay niandohantsika

Avy ao amina lahatsoratra ara-tsiansa iray dia anatsoahana izao teny izao : „Ny mahagaga, eo amin’ny fitadiavana izay niandohantsika, dia ity : miteraka fanontaniana iray hafa avy hatrany ny valiny iray azo. Raha toa ny olona ka vokatr’ilay fipoahana lehibe (big bang), araka ny ambaran’ny mpahay siansa sasantsasany, dia inona kosa no antony nahatonga io fipoahana lehibe io ?”

Jacques Monod, nisantatra ny maha mpikaroka ara-biôlôjian’ny môlekiola azy tao amin’ny Collège de France, dia nanambara fa nipoitra „kisendrasendra” ny olona, avy tao amin’ny tontolo hita maso sy hay tsapain-tanana. Fa fizisiana malaza iray hafa kosa, ny prôfesora Alfred Kastler, nahazo ny loka Nobel momba ny fizika, dia nilaza hoe : „Amiko dia toa hadalana ny fiheverana fa niforona ho azy izao tontolo rehetra izao. Tsy azoko heverina hisy izao tontolo izao, raha tsy nisy Mpahary, izany hoe Andriamanitra. Na atôma iray monja, aza, dia efa saro-takarina aoka izany, narindra tam-paharanitan-tsaina lalina indrindra, ka tsy misy fotony mihitsy ny fampianarana manindrahindra ny zavatra mivaingana.”

Izany no itiavantsika mihaino Ilay Mpahary mihitsy, miresaka ny asany, hoe : „Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). „Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita” (Kolosiana 1:16).

Fa ndao mbola hihaino koa ny lazain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, hoe indray andro any, „ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra” (2 Petera 3:10). Eo anelanelan’ireo roa ireo no misoratra ny tantarantsika, tantara misy dikany ho voninahitr’Andriamanitra, raha toa isika mahay mihaino Azy sy mino ny lazainy.