Alakamisy 9 Marsa 2023

Fa tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. Romana 3:22-23

Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy, noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 3:24

 

Fahasamihafana hoe ?

Maro ny fahasamihafana eo amin’ny samy olombelona (harena, fanabeazana, fivavahana, fomba fiaina, sns.). Fa ho an’Andriamanitra kosa dia tsy misy fahasamihafana, eo amin’ny lafiny ara-toe-panahy : „Samy efa nanota izy rehetra”, hoy Izy, amin’ny fomba manetriketrika. „Fa tsy misy olona marina ambonin’ny tany, izay manao tsara ka tsy manota” (Mpitoriteny 7:20). Hiteny koa ny apostoly Paoly hoe : „Tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. Raisin’Andriamanitra ho tsy mpankatò avokoa izy rehetra. Nahoana moa ? Mba homelohiny ve ? Tsia ! „Mba hamindrany fo amin’izy rehetra” (Romana 11:32).

Andriamanitra dia te hamela ny fahotantsika, ary manoatra noho izany aza, manana fahefana hamafa izany, handroaka izay rehetra ratsy ao anatintsika, ary hanokatra ny paradisany ho an’ny olona rehetra mino an’i Jesosy. Iray no Andriamanitra, ary iray ny Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia „Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:5-6). Ny fanirian’Andriamanitra dia ny hanamarina antsika rehetra, mba hahazoantsika ny fahasambarana tena izy, miaraka aminy. Ampy ho amin’izany ny sorona nataon’i Kristy.

Misy tokoa fahasamihafana fototra, eo amin’ny olona. Nahoana moa ? Satria „sitrak’Andriamanitra [ny] hamonjeny izay mino” (1 Korintiana 1:21), io no hany mari-pitsarana maha samy hafa ny olona. Ny sasany, tsy mino ny lazain’Andriamanitra, ka tsy mila ny drafi-pamonjeny ; dia very. Ny hafa kosa mino Azy, miaiky fa mpanota, mibebaka, ary mandray ny famelan-kelok’Andriamanitra noho ireo rehetra fahadisoany ; dia voavonjy mandrakizay.

Indray andro any dia ho tara loatra ny hinoana. Aza mangataka andro !