Alarobia 8 Marsa 2023

Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo, sady mahafinaritra ny maso, ary hazo mahatsiriritra hampahahendry. Genesisy 3:6

Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo, sy ny filan’ny maso, ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. 1 Jaona 2:16

 

Ny fakam-panahy nahazo ireo Adama roa

Adama, ilay lehilahy voalohany, dia tsy nankatò an’Andriamanitra ka nitarika ny olona rehetra hanaraka azy ho amin’ny ota. Jesosy, antsoina hoe „Ilay Adama farany” (1 Korintiana 15:45-47), dia nankatò tanteraka an’Andriamanitra, ary namerina indray ny tantaran’ny zanak’olombelona ; Izy no nanjary Ilay mpanafaka amin’ny herin’ny ota, satria maty nefa nitsangana velona indray.

Samy nalain’i Satana fanahy izy roa ireo. Saingy :

— Adama dia tao am-paradisa, toeram-pahasambarana. Jesosy kosa nalaim-panahy tany amina taniefitra.

— Adama dia nanan-kohanina betsaka : „ny hazo rehetra… tsara ho fihinana” (Genesisy 2:9). Jesosy kosa nalaim-panahy rehefa nifady hanina nandritra ny efapolo andro. Noana Izy (Lioka 4:2).

— Adama dia niara-niaina tamina biby mora. Jesosy kosa dia niaraka tamin’ny bibidia (Marka 1:13).

Naka fanahy azy ireo i Satana, nitady izay hampisalasala azy momba ny Tenin’Andriamanitra sy ny hatsaram-pony (Genesisy 3:1-5 ; Lioka 4:1-13). Nampiasainy ny fitsiriritan’ny nofo (voa tsara ho fihinana ; manova ny vato ho mofo), ny „fitsiriritan’ny maso” (fahafinaretana ho an’ny maso ; fananana fanjakana), ary „ny rehaka momba izao fiainana izao” (ny faniriana hanjary marani-tsaina ; ny fiheveran-tena ho tsy mety resy).

Adama dia nisalasala tamin’Andriamanitra momba izay nolazainy taminy, ka latsaka tao anaty fakam-panahy. Jesosy kosa dia nijanona ho mahatoky, noho ny halavorariny anaty, ary natoky tanteraka an’Andriamanitra. Notoherin’i Jesosy i Satana, tamina teny ao amin’ny Baiboly —„voasoratra hoe”- nanery azy hilavo lefona (Lioka 4:13). Noporofoin’i Jesosy tamin’izany, talohan’ny nanombohany ny fanompoany ampahibemaso, fa lavorary Izy, „vonona tsara” hamoaka antsika hiala tamin’ny lalana nandehanan’ilay Adama voalohany sy niarahantsika nizotra taminy.