Talata 7 Marsa 2023

Izy (Andriamanitra) ihany no manana ny tsy fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena. 1 Timoty 6:16

Namaly Jesosy ka nanao hoe : Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Matio 11:25

 

Mino ny fisian’Andriamanitra, ary mino izay lazainy

Hoy ity mpahay tantara momba ny fivavahana : „Efa resy lahatra hatrizay aho fa Andriamanitra dia tsy takatry ny saintsika mihitsy ; ary manao ny tenako ho mpino agnôstika aho, izany hoe mpino, satria niaina fitiavana hery iray mihoatra tanteraka antsika, nefa tsy ho haiko faritana.”

Fahiny dia nisy sakaizan’i Joba niteny taminy hoe : „Takatry ny sainao va ny fomban’Andriamanitra ? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha ? Avo tahaka ny lanitra izany ! ka inona no hainao atao ? Lalina noho ny fiainan-tsy hita ! ka inona no fantatrao ?” (Joba 11:7-8).

Manana saina matsilo ny olona, ahafahany mifandray amin’Andriamanitra, saingy Andriamanitra dia lehibe tsy misy fetra. Noho izany dia tsy afaka mahafantatra Azy ny faharanitan-tsaintsika ara-boajanahary. Nefa tsy tiany ny hamela antsika ao anatin’ny tsy fahalalana, ka nomeny antsika izay ilaintsika : „Na inona na inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy, dia isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy” (1 Korintiana 2:9-10). Eo ampelatanantsika ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra voasoratra. Tsy vitan’ny hoe tokony hino ny fisian’Andriamanitra isika, fa tokony hino koa izay lazainy. Afaka mino isika fa nisy tokoa Jesosy, ary sarotra lavina izany, eo amin’ny lafiny ara-tantara ; nefa tokony hino an’i Jesosy koa isika. „Minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa”, hoy Jesosy tamin’ny mpianany (Jaona 14:1). Afaka mandray izany fanambarana izany isika, rehefa maka ny toeran’ireo izay manaiky hampianarina, toy ny „zaza madinika” manoloana ny halehibe sy fiandrianan’Ilay Mpahary azy ireo. „Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17).