Alatsinainy 6 Marsa 2023

Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy. Jaona 13:21

 

Jodasy sy Simona Petera (1) — Jodasy

Jodasy dia niaraka telo taona sy tapany tamin’i Jesosy, Izay nisafidy azy manokana ho mpianatra (Marka 3:14, 19). Tetỳ ivelany dia tsy nisy nampiavaka azy tamin’ny hafa. Tia azy Jesosy, nanasa ny tongony… Saingy tsy nanan-toerana tao amin’ny fon’i Jodasy i Jesosy, tsy nisy afa-tsy fifandraisana ivelambelany. Jodasy dia tia vola, ary nanjary mpangalatra (Jaona 12:6). Noho izany izy dia nalain’i Satana ho azy, ary natosiny hivarotra an’i Jesosy (Jaona 13:27). Nihatsaravelatsihy i Jodasy niantso an’i Jesosy hoe „Mpampianatra”, sady nanoroka Azy, ho famantarana ny fivadihany (Marka 14:45), sy nanolotra Azy tamin’ny fahavalony, ho tambina vola sekely volafotsy telopolo (Matio 26:15). Rehefa nahatakatra ny vokatry ny nataony izy dia nanenina. Nefa i Satana, izay tsy misy indrafo, dia nanohy ny asa ratsiny. Rehefa avy nitarika azy hanao io asa mahatsiravina sy tsy azo narenina io izy, dia nanosika ilay andevony ho amin’ny famoizam-po nitondra azy hananton-tena.

Talohan’ny namonoan’i Jodasy tena, dia naveriny tany an-tempoly ilay vola tambin’ny namadihany. Nefa nesorin’ny Jiosy tao io, satria hoe „vidin-dra” (Matio 27:6), ka nividianany ny „Sahan-dra”, izay nanjary toerana fandevenana ny vahiny. Mampalahelo ny niafaran’ny volan’ilay mpamadika, izay tsy mba nisitraka izany akory… Mampihoron-koditra ny niafaran’io lehilahy io, izay nantsoin’i Jesosy hoe „zanaky ny fahaverezana” (Jaona 17:12). Nandevozin’i Satana aloha i Jodasy, mba hanolotra an’i Jesosy amin’ny fahavalony ; ary avy eo dia nananton-tena. Izy izay niaina teo anilan’i Jesosy nandritra ny taona maromaro, dia nivarina tany ampelatanana tompo lozabe, ary niafara tsy nisy fanantenana, very mandrakizay.

Simona Petera kosa, mpianatra niaraka taminy, dia nifikitra tamin’i Jesosy, ilay Mpampianatra tsara indrindra, ary tena manaitra ny hasamihafana eo amin’izy roa lahy.

(hitohy amin’ny alatsinainy telo manaraka)