Alahady 5 Marsa 2023

Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. 1 Jaona 4:9

 

Fitiavan’Andriamanitra

Misy sehatra ve tsy ahavitan’Andriamanitra tena ? Ny sehatry ny fitiavany ? Te hizara amintsika tokoa ny fahasambarany mantsy Izy. Saingy be loatra ny fitiavantena ao anatin’ny fon’ny zanak’olombelona, ka saro-pantarina aminy ny fitiavan’Andriamanitra, vao mainka tsy takatry ny sainy noho ny fahamasinany. Tsy mba nanao zavatra ho an’ny tenany manokana mihitsy Jesosy, ary nanolotra ny ainy ho an’ny fahavalony, nefa dia tsy nisy nahatakatra Azy. Etsy an-daniny koa, na inona na inona toetra mahasarika mety hananan’ny olombelona, na aiza na aiza ny Baiboly dia tsy miteny amintsika fa mendrika hotiavina isika, na mahay manao izay hahatonga antsika ho izany. Ambarany aza fa eo imason’Andriamanitra isika dia „sady hala no nifankahala” (Titosy 3:3). Hala, nefa mitady hotiavina, izany koa dia fifanoherana eo amin’ny toetrantsika. Tsy ahitan’ny olona valiny ireo fanontaniana ireo, Andriamanitra irery no hany afaka namaha azy ireo. Izy aloha no nitia ny olona, ary nitia azy araka ny maha izy azy ireo. Mba hahafantarantsika ny atao hoe fitiavan’Andriamanitra, manoloana ny haratsin’ny fon’olombelona, dia ndao hijoro manoloana ny hazofijaliana. Teo no nanoloran’Andriamanitra ny Zanany malalany, mba ho famonjena ny fahavalony, ireo izay nandrora Azy sy nanombo Azy teo. Ry fitiavana madio mangarangarana sady faran’izay lalina, Ry endrik’Ilay Andriamanitra avo indrindra Nanolotra ny Zanaka mihitsy, mba hanehoany ny tenany, Teto amin’ity tontolo rakotry ny haizin’ny ota ity Dia afaka nahita Anao ny masonay, ary nikasika Anao ny tananay.

 

Namiratra Ianao teo amin’ny hazofijaliana, nandritra ireo ora telo maloka Nanatevina ny haizina nanarona tontolo jamba ; Ilay Olona lavorary, Zanak’Ilay Andriamanitra masina, Ilay Andriamanitra mahery, Dia niaritra ny fandaozana, ny fahatezerana ary ny fahafatesana.