Asabotsy 4 Marsa 2023

Ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy… ary izaho novonjena tao am-bavan’ny liona. 2 Timoty 4:17

Mahereza ianareo… ka miasà ; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah. Hagay 2:4

 

Izaho miaraka aminareo isanandro

David Livingstone (1813-1873), dokotera misionera britanika fanta-daza, dia nitory ny Filazantsara tany amina faritr’i Afrika mbola tsy nisy nahafantatra hatreo. Nihamahia izy, nihaosa noho ireo aretina any amin’ny tany mafana, ary nanan-kilema noho ny ratra teo amin’ny sandriny havia nokaikerina liona, no niresaka, indray andro, tamina mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Glasgow, izay nianarany rahateo. Feno hafanam-po izy, nampieritreritra ireo nihaino azy tamin’ny teny hoe :

— Tianareo hambarako ve izay nanohana ahy mandrakariva nandritra ny taona rehetra nijanonako teo anivon’ireo foko feno fankahalana ireo ? Tsy inona fa ny fanatrehan’ny Tompo Jesosy, nampanantenainy tamin’ny olony taonjato 19 lasa izay, hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Io no tsiambaratelo, mahery noho ny zava-tsarotra rehetra, nanetsika ity lehilahy ity ary nanome azy hery mihoatra noho ny vitan’olombelona.

Natokana hiainana kristiana miavaka ve ny zavatra toy izany ? Tsy maintsy mandeha an-tany lavitra ve mba hiaina izany ? Tsia, ny fampanantenan’ny Tompo Jesosy tamin’ny mpianany dia miantefa amin’ny olony rehetra, amin’ny vanimpotoana rehetra, any amin’ny toerana rehetra, ary ao anatin’ny toejavatra rehetra.

Ndao àry hikatsaka ny fanatrehan’i Jesosy, toy io misionera io. Izany no loharanon’ny fifaliana mbamin’ny loharanon’ny hery. Tsotra ny fomba hanatanterahana izany :

Vakio am-bavaka sy am-paharetana ny Tenin’Andriamanitra. Ndao hihaino Azy mandrakariva, hihavana aminy, dia haneho ny tenany amin’ny fomba mazava tsara ny Tompo, mba hampahafantatra antsika izay andrasany amintsika tsirairay. Raha maniry hankatò Azy isika, dia hahita Azy miasa amin-kery.