Zoma 3 Marsa 2023

Esory aminareo ny fo lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy… ; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:31-32

 

Mijaly am-panambadiana ve ianao ?

Manjaka ao amina tokantrano maro ny tsy fifankahazoana, tsy fifanarahana, fifandirana, fijaliana, hany ka ny fisarahana no toa hany vahaolana mety.

Andriamanitra dia namorona ny fanambadiana ho ilay fifandraisana tsara indrindra azona lehilahy iray sy vehivavy iray iainana eto an-tany. Andriamanitra dia fitiavana. Izy no Ilay hany mahay mampianatra antsika hitia. Ny fitiavana, ilay tena izy, mantsy, dia aseho tokoa ao amin’ny Baiboly ho vokatry ny asan’Andriamanitra ao amin’ny mpino : „Ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana” (Galatiana 5:22), „ny Fanahy Masina… no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika” (Romana 5:5). Koa zava-dehibe fototra tokoa izany ny hitodihantsika amin’Ilay Andriamanitsika. Aza hadinontsika fa tia antsika fatratra Izy, ary tena mila io fitiavany io isika, hahafahantsika mitia ny vadintsika.

Ny fitiavana dia mihoatra lavitra noho ny fihetseham-po. Safidy izy io, atao an-tsitrapo. Nisafidy ny ho tia antsika Andriamanitra. Ny fitiavany mahatalanjona no manome antsika ny hery hisafidianana ny famelan-keloka toy izay ny fangidiana, ny fahafoizantena toy izay ny fitiavantena, ny toetra mahatoky toy izay ny fivadihana.

Sitrapon’Andriamanitra lalandava ny hijanonan’ny mpivady ho iray (Matio 19:6). Ireo mpivady ao anatin’ny olana, dia tsy hoe tokony hanaiky tsotra fotsiny ny anjarany sy hijaly mangina. Andriamanitra dia manana hery hanovana ny fanambadianareo, amin’ny fiasany ao anatin’ny fon’ny tsirairay. Na dia tsy mpino aza ny vadinao, dia afaka miasa ao anatin’ny fony amin’ny alalanao Andriamanitra (1 Korintiana 7:16).

Raha miantso Azy isika, dia tsy misy toejavatra mampamoy fo mihitsy. Ao anaty lohasaha lalina, kisarisarin’ny fitsapana, Izy dia manokatra „varavaram-panantenana” (Hosea 2:17) izay tsy noeritreretintsika akory hoe nisy.