Alakamisy 2 Marsa 2023

Jesosy… naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina… Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly. Lioka 6:12-13

Niseho koa tamin’ny famantarana maro taorianan’ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efapolo andro Izy. Asan’ny Apostoly 1:3

 

Mahatakatra ny Baiboly (3) : ny isa

Tamin’ny heriny isika dia nahita fa manana hevitra famantarana ny isa sasantsasany. Koa ireto misy hafa indray :

— Ny isa 10 dia mety hidika ho „maro”, rehefa milaza hoe avo folo heny (Genesisy 31:7 ; 1 Samoela 1:8). Indraindray izy dia mampahatsiaro ny andraikitry ny olona (manana rantsantanana folo isika, hiasana). Misy koa ireo Teny Folon’ny Lalàna (Eksodosy 34:28).

— Ny isa 12 dia famantarana manokana ny vahoakan’Andriamanitra. Nisy foko 12 tany Israely fahiny, nisy apostoly 12 ho an’ny Fiangonana, ary hisy fanorenana 12 eo amin’ny tanàna any an-danitra (Apokalypsy 21:14). Io isa io dia milaza izay apetrak’Andriamanitra eto an-tany mba ho famonjena sy ho fanasoavana ny olona.

— Ny isa 40, matetika, dia manondro vanimpotoana feno hitsapana. Araka izany, ny vahoaka Israely dia tany an-taniefitra nandritra ny 40 taona (Nomery 14:33) ; Ninive dia nomena 40 andro, hibebahany (Jona 3:4) ; ny Tompo Jesosy dia nifady hanina nandritra ny 40 andro (Matio 4:2).

— Ny isa 70, fampitomboana ny isa 7 sy ny 10, dia manana toerana manokana. Mifamatotra amina fidiran’Andriamanitra an-tsehatra manokana izy. Ohatra, ny fahababoana tany Babylona dia naharitra 70 taona (Jeremia 25:11) ; ary ny Tompo dia naniraka mpianatra 70 lahy hitory ny Filazantsara (Lioka 10:1).

Na dia matetika manana lanja ara-panahy aza ny isa, dia tsy mety kosa ny hanitarana ny heviny ara-pamantarana. Misy mandrakariva loza mitatao roa mifanohitra : ny mamaky ny Baiboly toy ny boky ara-tsiansa, na ny mamaky azy toy ny boky feno zava-miafina. Ndao hamaky azy am-bavaka sy am-pinoana, ary hangataka an’Andriamanitra mba hanampy antsika hahatakatra izay voasoratra ao. (tapitra)