Alarobia 1 Marsa 2023

Izy [no] Andriamanitro, Izay hitokiako… Ny volon’elany no anaronany anao, ary ao ambanin’ny elany no hialofanao ; ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany… Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, na ny zana-tsipìka manidina nony andro… tsy hihatra aminao izany. Salamo 91:2-7

 

Amena sy Haleloia

Teny roa mahafinaritra iraisan’ny kristiana rehetra eran’izao tontolo izao ireo, amin’ny fiteny rehetra. Izao ny tantaran’i Ana Gheorghe, miaramila tany Roumanie, nandritra ny ady lehibe faharoa.

Nanenika ny faritra Bessarabie any Roumanie ny andian-tafika rosiana, ary tafiditra tany Moldavie. Nihorohoro i Ana sy ny namany. Nisiotsioka nanodidina azy ireo ny bala, ary nampihozongozona ny tany ny tafondro. Nandritra ny andro i Ana dia nitady fampaherezana ao amin’ny Baiboliny, ary ny alina izy dia namerimberina ho an’ny tenany andinin-tSoratra Masina notadidiny.

Indray andro i Ana, nandritra ny fanafihan’ny fahavalo, dia tafasaraka tamin’ny antokon-tafika nisy azy. Raiki-tahotra izy ka nandositra tany anaty ala, ary reraka ka raiki-tory teo am-pototra hazo iray. Niezaka nitady ireo namany izy ny ampitso, nandroso tam-pahamalinana, nanatona ny vava ady. Ary satria niha nanatona ny tabataban’ny ady, dia nanainga ny basiny izy, ny rantsantanany efa teo amin’ny fanapihana, nitily ny fahavalony. Hendratra dia hendratra izy.

— Tsy nisy nilana ny fikasako sy ezako ho be herim-po, tamin’io fotoana io, hoy izy tatỳ aoriana. Nony nipoitra ny miaramila rosiana iray, roapolo metra teo alohako, dia navotsotro ny basiko ary nandohalika aho. Norakofako ny tanako ny tarehiko, dia nivavaka aho. Niandry ny vava basy mangatsiakan’ny fahavalo teo amin’ny lohako aho, no nahatsapa tsindry malefaka teo amin’ny soroko. Nahiratro moramora ny masoko. Io ilay fahavaloko, nandohalika teo anilako, ny basiny teo akaikin’ny ahy. Nikimpy ny masony. Izy koa nivavaka. Nampiraisin’ny fitiavan’Andriamanitra izahay, ary samy namarana ny vavakay tamin’ny fiteninay avy, tamin’ny teny roa hoe : „Haleloia… Amena !” Nihetsi-po mafy indrindra izahay, ary nisaraka rehefa avy nifamihina tam-pitiavana.