Talata 28 Febroary 2023

Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9

 

Aza mamita-tena isika

Hitantsika ao anaty Baiboly ny fampitandremana hoe : „Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao” (Amosa 4:12). Angamba mihevitra ianao hoe mety ho izao no lazainy anao :

— Tsy niraharaha ny hankatò Ahy mihitsy ianao, nefa kosa niezaka, nandritra ny fiainanao, hanao soa eo amin’ny manodidina anao. Tena mendrika hahazo toerana any am-paradisa ianao.

Izany valinteny vinavinaina izany dia mety ho fihevitr’olona maro.

Izao no marina : na ny fifadian-kanina, na fisehoana etỳ ivelany ho mpivavaka, dia samy tsy afaka hanokatra ny fidirana any an-danitra. Ary ny ezaka ataontsika hanao asa ? Tsy afaka ihany koa, na dia toa tsara toy inona aza ireo. Hoy ny Baiboly : „Tsy misy famonjena amin’ny hafa [raha tsy ao amin’i Jesosy Kristy] ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena” (Asan’ny Apostoly 4:12). Hisy hiteny angamba hoe mametra tsy misy fandeferana mihitsy izany ? Nefa dia izay no fahamarinana ambaran’ny Tenin’Andriamanitra. Fony tetỳ an-tany Jesosy, dia nisy olona nanontany Azy hoe : „Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko, hahazoako fiainana mandrakizay ?” (Matio 19:16). Efa nanao zavatra maro izy, nefa tsy nahazo antoka fa ampy ny nataony. Misy zavatra iray loha tokoa mantsy tsy ampy teo aminy, dia ny fanarahana an’i Jesosy ! Tsy nataony izany, satria fangatahana tafahoatra loatra taminy. Raha nanaraka Azy izy, dia ho nahita Azy maty teo amin’ny hazofijaliana, nohelohin’ny olona, ary avy eo nitsangana velona indray afaka hateloana. Koa dia ho nanjary tsapany ny voninahitr’i Jesosy, „Izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:25). Ny finoana an’i Jesosy Kristy, izany tsotra fotsiny ihany, no fomba tokana hahazoana toerana any am-paradisa.