Alatsinainy 27 Febroary 2023

(Hoy Jesosy :) Aza malahelo ny fonareo ; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko, misy fitoerana maro… Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:1-3

 

Fiovana toeram-ponenana

„Araka ny fijeriko, dia akaikin’ny lanitra kokoa aho izao, miaraka amin’Andriamanitra, miohatra amin’ny tamin’ny lasako efa elabe, fony aho mbola nijoro tamin’ny tongotro roa. Ary akaiky kokoa ny andro hitafiako ny vatako vaovao avy any an-danitra, miohatra amin’ilay fotoana tsy nahafahako nampiasa intsony ny tenako eto an-tany. Ny lasa dia lasa, ary ny hoavy no mahaliana kokoa. Mieritreritra izany aho ary mafana fo miresaka izany.” (Joni Eareckson Tada, nanjary nalemy fony izy 18 taona) „Indray andro any ianareo dia hamaky na hahare fa maty i Billy Graham. Aza mino izany. Amin’izay mantsy aho dia mbola ho velona kokoa noho ny ankehitriny. Ho niova toeram-ponenana fotsiny aho, ary ho eo anatrehan’ny Tompo.” (Billy Graham, mpitory Filazantsara ; 1918-2018) Ao amin’ilay hazavana mangarangarana, ambony noho ny lanitra manga, No misy ny tranon’ny Ray, ilay fonenan’Andriamanitra ; Fonenana feno voninahitra, haingoin’ny fahamasinana, Ary amirapiratan’ny fahazavan’Andriamanitra ; Any ny fiderana, tsy hitsahatra, lavorary, tsy misy fangarony, Dia ny fihirana ny fitiavan’Andriamanitra.

 

Fitsaharana tsy hay ambara amin-teny no manjaka ao amin’io toerana io : Ny fiadanana tsy hay ambara omen’ilay fitiavana mandrakizay. Ny fanatrehanao, ry Ray ! no mameno io toerana masina io Amin’ny fitiavana sy hazavana : fitsaharanao io, Andriamanitra ô ! Ary ao no toerako, ao anaty fahasambarana mandrakizay ! Ao no ampidiran’ny fahasoavanao ahy, ry Jesosy Mpamonjiko ô.
Geneviève Dandrieu