Alahady 26 Febroary 2023

Izy (Jesosy) nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota. Jaona 19:17

Ary rehefa tonga teo amin’ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany. Lioka 23:33

 

Golgota

Golgota, Golgota ! Fahatsiarovana toa inona moa izany ! Tao Ianao, ry Tompo, dia nampijalin’ny olona fatratra ! Tao no namirapiratra ny fitiavanao, lavorary, ambony indrindra ; Tao no nanatanterahanao ny fikasan’Andriamanitra.

 

Tsy nisy nahova hevitra Anao, nitondra ny hazofijalianao Ianao ; Nanarona Anao ny alina, maty teo ambony hazo Ianao. Nanindrona Anao ny lefona… Ary ny ranao nilatsaka Dia manadio anay mandrakizay ho afaka amin’ny fahotanay rehetra.

 

Ry Zanak’ondry madio, tsy misy pentimpentina, nanolotra ny tenanao tamin’Andriamanitrao Ianao ; Hanitra tsy misy fangaro izay nameno ny lanitra, Ary hampahatsiahy anay, amin’ny taona rehetra hifandimby, Ny sorona lehibe teo amin’ny havoanan’i Golgota.

„Kristy… nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay” (Hebreo 9:14).

„Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’izay dia nisy ra sy rano nandeha” (Jaona 19:34).

„Ho an’Izay tia antsika, ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy —ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena” (Apokalypsy 1:5-6).