Asabotsy 25 Febroary 2023

Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko… Efa nihaino tokoa Andriamanitra ; efa nihaino ny feon’ny fivavako Izy. Isaorana anie Andriamanitra. Salamo 66:16, 19, 20

 

Niditra tao amin’ny zava-mafy nanjo ahy Andriamanitra (2)

„Nanomboka tamin’io andro io aho dia tsy nitsahatra nametraka ny fiainako tamin’Andriamanitra.

Nanatrika fivoriana kristiana aho isan’alahady, mba handre ny Teniny sy hianatra hahafantatra Azy. Ny Testamenta Vaovao manontolo aloha no novakiko ! Nahavariana izany, nahita an’Andriamanitra aho ! Hitako ny fomba nanoloran’i Jesosy ny ainy hamonjy ahy, nefa hatreto aho dia nolavina hatrany, nolotoina, natao tsinontsinona.

Nianatra niresaka taminy tao amin’ny vavaka aho, na izaho irery na ao amina vondrona. Ary isaky ny fotoana toy izany aho dia nandray fiadanam-po tena lalina, tena izy, fiadanana nokatsahiko fatratra nandritra ny fiainako.

Nanavao ahy io fitiavan’i Jesosy io. Nafoiko ny fifaneraserana tamin’olona sasantsasany, notandremako ny fomba fitondrako tena, nivavaka betsaka aho, ho ahy sy ho an’ny hafa. Niara-namaky Baiboly tamin’ireo zanako aho. Ary tamin’ireo fihaonana tamina kristiana no nahitako ny tena dikan’ny teny hoe „ankohonana” !

Nisy fitsapana hafa nitranga, nefa nampaherezin’Andriamanitra aho ! Niara-namakivaky taminy izany rehetra izany izaho sy ireo zanako vavy, teo anilanay mandrakariva Izy, ary nanampy anay hiarina hatrany. Ny volana mey 2010 aho dia natao batisa, ary tena androm-pifaliana lehibe izany ! Mahatoky Andriamanitra, ary afaka miteny aho, taorianan’ny 10 taona niarahako taminy, fa tena tsy nitovy mihitsy intsony tamin’ny tany aloha ny fiainako.

Na inona na inona mitranga, na inona na inona fiainana ankehitriny, dia mandeha eo anilako Jesosy Kristy, ary sambatra aho miresaka Azy amin’ny hafa, mba hahafahan’ny tsirairay mandray fitiavana toy izany… Tsy mijery ny etỳ ivelany Izy, tsy mijery ny volon-koditra… fa mijery ny ao anatin’ny fo. Mpamonjy sy Tompo mahatalanjona tokoa no ananantsika !”

Nélie