Zoma 24 Febroary 2023

Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitra… : Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao ; … hamonjy anao… Aho. Isaia 38:5-6

Tany lavitra any no nisehoan’i Jehovah tamiko ka nanao hoe : Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. Jeremia 31:3

 

Niditra tao amin’ny zava-mafy nanjo ahy Andriamanitra (1)

„Ny 24 desambra 2000 dia tsy nanan-kialofana izaho sy ireo zanako mirahavavy 6 sy 2 taona. Mbola tsy fahombiazana indray… Maratra aho, reraka, tafintohina, rikorikon’ny zavatra rehetra teo amin’ny fiainako. Iza no hianteherako ? Irery aho, ao anatin’izao zava-mafy izao.

Ny 27 desambra, ny mpiandraikitra asa sosialy iray dia nitaona ahy ho ao amina akany mandray olona niharana herisetra ao an-tokantrano. Ramatoa iray toa hafa noho ny rehetra no nandray ahy tao tam-pitiavana. Hafatra ara-Baiboly no voasoratra saiky eran’ny rindrina, ary hitako toa nampitony izany.

Afaka andro vitsivitsy nahatafintohina sy nampasiaka ahy mafy, dia nasaina namaky fanoharana iray tao amin’ireo filazantsara aho. Niteraka ady anaty tato amiko izany. Nametra-panontaniana maro tamin’ny tenako aho : ahoana moa no hahafahana Andriamanitra toy ny ao amin’ny Baiboly, Izay tena mahery, tena tsara fo, ho tia vehivavy toa ahy ? Tsy mendrika izany aho, vehivavy tsy misy fotony, tsy afaka manana fifandraisana ara-dalàna amin’ny hafa. Ahoana no ahafahany mijery ahy sy miandry zavatra avy amiko ? Tsy maintsy manova fiainana aho, mba tsy ho revo intsony ao anaty fotaka ! Nanomboka nitomany aho, „namoaka” avy tato anatiko izany fijaliana rehetra izany, ny lasako manontolo sy izao ankehitriny mitambesatra mafy izaitsisy izao, sady nangataka tamin’Andriamanitra mba hitantana ahy eo amin’ny fiainana.

Ny 1 janoary 2001, nandritra ny sakafo korana alina niaraka tamin’ireo mpiray trano tamiko, dia nahatsapa hafanana tato anatiko aho, fahatsapana fahafenoana, fitiavana, tsy hay hazavaina ! Zavatra nameno ahy sy nanome antoka ahy. Tiana aho ! Tia ahy Andriamanitra ! Mbola tsy nahatsapa fitiavana tsy misy fepetra toy izany aho.”

(rahampitso ny tohiny sady farany)