Alakamisy 23 Febroary 2023

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy. Apokalypsy 4:8

Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito : Fantatro ny asanao. Apokalypsy 2:1-2

 

Mahatakatra ny Baiboly (2) : ny isa

Ao amin’ny Baiboly dia matetika ny isa no manana hevitra famantarana :

— Ny isa 2 dia azo ampifandraisina amina fijoroana ho vavolombelona natao : roa ny takelaky ny Lalàna, vavolombelona roa fara fahakeliny no nilaina teo amina fitsarana… Rehefa averina fanindroany ny anaran’ny olona iray, dia manamarika fiantsoana hentitra tsy misy fisalasalana izany (jereo ohatra ny Lioka 22:31).

— Ny isa 3 dia maneho fanantitranterana (Jeremia 22:29). Ao amin’ny Apokalypsy dia misy fiteny momba an’Andriamanitra miverina intelo (4:8 ; 1:8 ; 21:6 ; 22:13). Ny isa 3 koa dia mampahatsiahy ny hafenoan’Andriamanitra : Ray, Zanaka ary Fanahy Masina.

— Ny isa 4 dia mampahatsiaro zavatra mahakasika izao tontolo izao. Isaia dia nampahatsiaro „ny vazan-tany efatra”, ary Daniela dia nahita tamina nofy „ny rivotra efatry ny lanitra” nibosesika teny amin’ny ranomasina lehibe (Isaia 11:12 ; Daniela 7:2). Jesosy, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao, dia aseho ao amina filazantsara efatra.

— Ny isa 5 sy 6 dia miresaka ny olona, zavaboarin’Andriamanitra. Manana rantsantanana 5 izy, Jesosy dia nampiasa ny mofo 5 tany amin’ilay zazalahy kely… Misy ireo andro 6 iasana ao anatin’ny herinandro, ary ny olona dia noarìna tamin’ny andro faha-6 (Eksodosy 20:9, 11). Voalaza mazava rahateo fa ny isa 666 dia „fanisan’olona” (Apokalypsy 13:18).

— Ny isa 7 dia manambara ny halavorary sy ny hafenoana ; miresaka an’Andriamanitra sy izay nataony izany : ny andro fiton’ny fahariana, ny maso fiton’Andriamanitra (Zakaria 4:10), ireo Fiangonana fito teo ampelatanan’ny Tompo (Apokalypsy 1:20), ny Fanahy fiton’Andriamanitra (Apokalypsy 4:5 ; 5:6), sns.