Alarobia 22 Febroary 2023

(Andriamanitra)… manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa. Joba 5:9

Andriamanitra dia fitiavana. 1 Jaona 4:8

 

Ireo zava-mahagaga nataon’Andriamanitra

Na mijery amin’ny alalan’ny „télescope” (fahita ny lavitra) isika na amin’ny alalan’ny „microscope” (fahita ny bitika), dia talanjona mahita ny asa mahagaga nataon’Ilay Tompo-marika lehibe nahary izao Tontolo rehetra izao, dia Andriamanitra. Ireto, ohatra telo :

— Ny maripana : 15 tapitrisa degre Celsius izany ao afovoan’ny masoandro, ary isika dia atỳ amin’ny 150 tapitrisa kilometatra miala aminy, ny halavirana tandrify tsara, mahatonga ny maripanan’ny tany ho afa-miaraka amin’ny aina. Nahoana ny tany no tsy natao lavitra na akaiky kokoa avo roa heny noho izao ? Kisendrasendra ve sa niniana ?

— Ny fihodinan’ny tany : isan-taona ny tany dia mihodina in-365 eo amin’ny tenany ary indray mandeha manodidina ny masoandro. Raha toa ny tany ka tsy nihodina afa-tsy in-36 eo amin’ny tenany ao anatin’ny taona, dia ho im-10 lava kokoa ny andro sy ny alina, ka hafana tsy hay iaretana ny lafiny iray ary hangatsiaka tsy tanty kosa ny lafiny iray. Ho foana ny aina araka izao ahafantarantsika azy izao. Kisendrasendra sa niniana ?

— Ny rivotra : ao amin’ny rivotra manodidina dia misy oksizenina 21%, ny fatra tena mety. Raha 50% izany, dia ho may hiredareda ao anatin’ny segondra vitsy ny zavatra rehetra, raha vao misy pitik’afo kely fotsiny. Kisendrasendra sa niniana ?

Tsy maintsy ekena ny zavamisy tsy azo lavina, hoe misy Mpahary. Hitantsika amin’ny alalan’ny fahariana nataony ny haranitan-tsainy sy ny heriny. Nefa kosa tamin’ny nanomezany ny Zanany, Izay nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana mba hamonjy antsika, dia ny fitiavany no nasehony (Jaona 3:16). Afaka mahafantatra manokana io Andriamanitra lehibe Mpahary io ianao, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpamonjintsika, ary afaka mahazo ny fiainana mandrakizay.