Talata 21 Febroary 2023

Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany : Ny hanao ny marina, sy ny ho tia famindrampo, ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena. Mika 6:8

 

Mizotra mitady ny dikan’ny fiainana

„Manovo hery vaovao ho an’ny tena manontolo, misandratra ara-panahy, mitolagaga amin’ny voary, mirotsaka amina ady tsara…” Gazety iray mpiseho isankerinandro no nanoso-kevitra hoe „mizotra mitady ny dikan’ny fiainana”, izany hoe miaina, mijery ireo hetahetantsika lalina mbamin’ireo fotoana fanararaotra atolotr’izao tontolo izao antsika.

Matetika ny Baiboly no miresaka ny fandehan’ny mpino eto amin’ity tontolo manohitra azy ity. Ny marina dia hoe isanandro izy no tsy maintsy mifidy lalana, zotra, tanjona matetika mifanohitra amin’ny an’ireo mpiara-belona aminy, izay miaina tsy manana an’Andriamanitra sy tsy manana fanantenana. Fantany mantsy fa ny hoe mandeha amin’ny lalana tsara dia ny manaraka ny dian’i Jesosy, Ilay Mpamonjiny sy ohatra alainy tahaka. Izy no manome azy dikany marina ho an’ny fiainany. Hoy Izy : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

Efa niainana mpaminany iray fa „tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany” (Jeremia 10:23). Fantany fa mila an’Andriamanitra izy hampianatra azy, sy hampitoetra azy eo amin’ny lalana tian’Andriamanitra hitondrana azy, mba hahasoa azy. Mitovy faniriana amin’i Davida ve isika ? „Ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako… Ampianaro hanao ny sitraponao aho ; fa Ianao no Andriamanitro” (Salamo 143:8, 10). Ny Baiboly dia tari-dalana azo antoka, hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra. Ampahafantarin’ny Baiboly antsika ny lalana mahatalanjona nodiavin’Ilay olona lavorary, dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ary asehony antsika, mifanohitra amin’izany, ny toetran’ny olona mandeha araka ny fisainany samirery. Taomina isika hitodika amin’i Jesosy, mba hanana Azy ho Mpamonjy sy ohatra alain-tahaka. Ny mandeha toy ny nandehanany, izany no hanome dikany ny fiainantsika.