Alatsinainy 20 Febroary 2023

Mitenena, Jehovah ô ; fa mihaino ny mpanomponao. 1 Samoela 3:9

Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny… Ilay avy any an-danitra. Hebreo 12:25

 

Hafatra avy any an-danitra hoe ?

Ao amin’ny nosy Porto Rico dia mandinika ny any ana habakabaka lavitra any ilay „radiotélescope” (fitaovana fandraisana ny onjan’aratra alefan’ny kintana) goavam-ben’i Arecibo ; 305 metatra ny savaivon’ny tendro boriborin’io fitaovana io. Tamin’ny taona 1974 dia nisy fanandramana nandefa hafatra mankany amina tontolo hafa. Saingy mbola andrasana mandraka izao ny valiny.

Ny NASA dia nandefa ny „télescope spatial TESS”, tamin’ny volana avrily 2018, mba hikarohana planeta ivelan’ny tontoloben’ny masoandro. Ny tena tanjona tamin’izany dia ny hitiliana raha misy famantarana fisiana aina, ary nahoana koa moa, sao misy voary manan-tsaina. Saingy hatreto dia tsy mbola nisy na inona na inona hita.

Ny mihaino hafatra avy any an-danitra, mampiseho fahazavan-tsaina, anefa, dia fanazaran-tena tokony hataon’ny kristiana isanandro. Tsy mila manana tendro na solosaina, ho amin’izany. Ilay Tompony any an-danitra dia efa nandray fepetra hitenenana aminy, amin’ny alalan’ny Teniny voasoratra, ary ampian’ny Fanahy Masina. Amin’izany no andraisan’ny kristiana ny serasera avy amin’Ilay Tompon’izao tontolo rehetra izao. Ny hafatra ampitain’Andriamanitra dia mampahafantatra azy ireo tsara kokoa hatrany ny Tompo Jesosy, sy ny drafi-pitiavany ho antsika etỳ an-tany.

„Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina, fa Ianao no itokiako ; ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako, fa aminao no ananganako ny fanahiko” (Salamo 143:8).

Fanampin’izany : mba eritrereto anie, hoe fanontaniana mamaivay toa inona moa no hateraky ny faharaisana feo mety hanafina fiteny iray. Koa ahoana àry no hahatakarana ny fizirizirin’olona maro aoka izany, handà ny hafatra efa an’arivon-taona lasa nomen’Andriamanitra, hoe : „Tsy tao amin’ny mangingina… no nitenenako ; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy” (Isaia 45:19) ?