Alahady 19 Febroary 2023

Fa hoy Jesosy taminy : Avelao izy ; nahoana ianareo no mampalahelo azy ? Asa soa no nataony tamiko… Efa nanao izay azony natao izy. Marka 14:6-8

Ny Tompo… hampiseho ny fikasan’ny fo ; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra. 1 Korintiana 4:5

 

Izay azony natao

Ao amina tantara iray ao amin’ny Filazantsara, i Maria dia namaky tavoara iray feno menaka manitra sarobidy, ary nandraraka izany teo amin’ny lohan’i Jesosy. Noheverin’ny sasany ho tena fandaniam-poana io nataon’i Maria io, ka nokianiny mafy. Nahoana raha namidy io menaka manitra io, ka nomena ny mahantra ny vidiny ? Nefa niaro an’i Maria Jesosy, ary nanambara teo anatrehan’ny rehetra fa nankasitrahiny io fihetsika io ary nanohina Azy. Feno fitiavana ny Mpampianatra azy ny fon’i Maria, ka nataony io fihetsika io ; nohosorany menaka manitra alohan’ny fotoana ny vatan’i Jesosy. Tsinjony mantsy fa efa akaiky ny hahafatesan’i Jesosy, ka raha tsy nataony izao ankehitriny izao io, dia tsy ho azony atao intsony !

Ry kristiana, tsy mba tombanan’i Jesosy araka mari-pitsaran’olombelona ny zavatra ataonao. Ny manao „izay azonao atao”, sady mihevitra Azy alohan’ny zavatra rehetra, izany no manan-danja aminy. Tsy ny fahombiazana no tombanany, fa ny antony manosika anao, ny fitiavana asehonao Azy sy ny toetranao tsy mivadika aminy. Voafetra ve ianao amin’ny fanompoana Azy ampahibemaso ? satria mitsotra eo ambony farafaran’hôpitaly, na tsy afa-mihetsika any amina trano fikarakarana beantitra, na mitoka-monina any am-ponja. Tsy manana an’iza na iza ve ianao ? iresahana an’i Jesosy. Tsy misy zavatra hafa azonao atao ve ? ankoatra ny mivavaka. Ataovy tsotra fotsiny ho an’ny Tomponao izay azonao atao. Hankasitrahiny izany, ary hainy ny hampahery anao. Tsy fanompoana hita sy derain’olona no manan-danja aminy, fa fo feno fitiavana, toy ny an’i Maria. Dia ho hainao ny hahita ny asa tsara nomanin’Andriamanitra Izy tenany mihitsy (Efesiana 2:10). Fantany izay vitanao sy izay tsy vitanao. „Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao” (Mpitoriteny 9:10).