Asabotsy 18 Febroary 2023

Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, ka dia namaly ahy Izy… Nahatsiaro an’i Jehovah aho ; ka tonga tao aminao ny fivavako. Jona 2:3, 8

Holazaiko izay nataony (nataon’Andriamanitra) ho an’ny fanahiko… Tsy nandà ny fivavako [Izy]. Salamo 66:16, 20

 

Ny fijoroan’i Roselyne ho vavolombelona

„Niha lehibe tao anaty fianakaviana protestanta aho, ary nanaraka ny sekoly ara-baiboly. Tia an’i Jesosy ilay ramatoa mpampianatra ahy. Fotoam-pahasambarana ho ahy ny nihaino ireo fampianarany. Nanoro hevitra anay hivavaka amin’ny Tompo izy, hisaotra Azy noho ny hatsaram-pony, hanambara aminy ny zava-manahirana anay, hiaiky aminy ny fahotanay, hangataka Azy hameno anay amin’ny Fanahiny. Revo aho, nefa matetika no nihevitra fa tsy natao ho ahy izany zavatra izany ! Nahatsapa ho nilanja enta-mavesatra teo an-tsoroko aho.

Nifandimby ny taona, dia nanalavitra izany fampianarana izany aho. Tamin’ny taona 2011 dia tafalatsaka toa anaty safotofoto ny fiainako… Maty tamina fomba mahatsiravina ny zanako lahitokana, dia maty koa ny reniko, avy eo nisaraka tamin’ny vadiko aho ; izany rehetra izany tao anaty volana vitsivitsy… Namoy fo aho, potika tanteraka. Dia nifanena tamina vehivavy kristiana iray aho. Noresahiny ahy ny fitiavan’Ilay Andriamanitra mikarakara antsika. Nanatrika fihaonana niadiana hevitra araka ny fahazavan’ny Baiboly aho, momba ireo olana eo amin’ny fiainana. Natoky tsikelikely an’Andriamanitra sy ny teniny aho. Indraindray aho dia niverina namoy fo ihany, nefa Izy dia nijanona teo anilako hatrany. Indray andro aho dia niaina zavatra tena lehibe : iny nivavaka iny aho no nafahan’ny Tompo tamin’ny zavatra nitambesatra tamiko. Rehefa nitsangana aho dia maivamaivana, afaka nijoro mahitsy tsara ! Nanomboka tamin’io fotoana io, dia tena nino ny Tompo Jesosy aho. Napetrako teo an-tanany ny fiainako, ary naneho ny tenany tamiko Izy. Nampiany aho hiarina avy tao amin’ny fahoriako, ary nositraniny tamin’ny fijaliako. Fa indrindra, fantatro fa navelany heloka aho, tamin’ny ratsy nataoko. Afaka aho, mahatsapa bebe kokoa isanandro ny fitiavany ahy, ary mameno hafaliana ahy Izy !”