Zoma 17 Febroary 2023

Fa efa nizaha toetra anay Ianao, Andriamanitra ô ; efa nanadio anay Ianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy. Salamo 66:10

Mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena…), dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy. 1 Petera 1:7

 

Fijaliana maro aoka izany

Araka ny fihevitry ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika ankehitriny, ireo fitsapana sy fijaliana dia vokatry ny vintana ratsy. Koa na izy ireo manainga soroka, manoloana izay heveriny ho zava-dratsy tsy azo ihodivirana ; na izy miresaka famaizan’Andriamanitra, izay tsy takany ny antony na tsy fantany ny hafatra tian’Andriamanitra hampitaina amin’izany. Matetika izy ireo dia mandray ireny fahoriana ireny ho antony handavana ny fisiana Andriamanitra fitiavana.

Nefa ny Baiboly dia milaza amintsika fa rehefa misy zava-doza mamely olona iray, dia tsy midika foana tsy akory izany fa nisy ratsy manokana nataon’io olona io. Isika rehetra dia samy iharan’ny fitsapana, eo amin’ny fiainana.

Fijaliana maro no vokatry ny safidy nataon’ilay lehilahy voalohany, dia Adama, ary ataontsika rehetra ihany koa, nanaraka ny lalany. Tsy nino ny nolazain’Andriamanitra izy, tsy natoky Ilay Mpahary azy. Ny fitondrantenany tsy niankina tamin’ny sitrapon’Andriamanitra dia nahavery ny fahasambarana nomanin’Andriamanitra ho azy, ary nitarika azy ho ao anatin’ny fijaliana iainan’ny zanak’olombelona ankehitriny. Ndao hiaiky io fahotana nanomezantsika lamosina an’Andriamanitra io, ary handray ny famelan-keloka atolony, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy. Dia ho avy hameno ny fiainantsika ny fiadanany, na eo aza ny toejava-manahirana.

Ho an’ny kristiana, ny Baiboly dia manolotra fijery iray hafa : ampiasain’Andriamanitra ny fijaliana mba hampatanjaka bebe kokoa antsika, mba hitsapany sy hampisongadinany ny finoantsika, ary indraindray mba hanakanany antsika tsy hizotra amina lalana diso. „Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka ; fa aiza moa izay zanaka tsy faizin-drainy ?” (Hebreo 12:7). Koa rehefa tonga ny fitsapana, dia ndao hanontaniana ny Raintsika izay tiany hampianarina antsika, ary ndao hatoky ny fitiavany tsy miova. „Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra” (Marka 7:37).