Alakamisy 16 Febroary 2023

(Hoy Jesosy :) Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Jaona 13:14-15

 

Mahatakatra ny Baiboly (1) : fihetsika ahafantaran-javatra

Ny Baiboly dia mirakitra sary an’ohatra maro tsara ho fantatra. Eo amin’ny fiainana andavanandro, ny fihetsiky ny vatantsika dia mety hanaovan-javatra, na hanehoan-javatra : ny mandray tanan’olona, hanampiana azy hiakatra ao anaty fiara fitaterana, dia fihetsika hanaovan-javatra ; fa ny mandray ny tanany hiarahaba azy kosa dia fihetsika hanehoan-javatra. Toy izao ny hevitry ny fihetsika hanehoan-javatra vitsivitsy voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra :

— Ny mandriatra ny fitafiana (Genesisy 37:29, 34 ; Matio 26:65) : tafintohina na tohina mafy.

— Ny mitafy lamba fisaonana ary mipetraka eo ambony lavenona (Lioka 10:13) : ao anaty fahamenarana, fanenenana, na fisaonana.

— Ny mitehaka (Salamo 47:1 ; 98:8) : faly.

— Ny misasa tanana ampahibemaso (Matio 27:24) : manamafy hoe tsy manan-tsiny ny tena.

— Ny mihazona ny fanalahidy-na trano (Apokalypsy 3:7 ; Isaia 22:22) : mitantana sy miandraikitra io tokantrano io.

— Ny manandratra tanana any amin’ny lanitra (Eksodosy 9:29 ; Salamo 88:9) : mivavaka, mitalaho.

— Ny manaisotra ny kapa (Eksodosy 3:5 ; Josoa 5:15) : maneho ny fanajana ilay toerana misy anao.

— Ny mivavaka ka mandohalika (Lioka 22:41 ; Asan’ny Apostoly 21:5) : maneho ny fanoavana sy fatokiana an’Andriamanitra.

— Ny manintsana ny vovoka amin’ny tongotro (Matio 10:14 ; Asan’ny Apostoly 13:51) : manamarina fa nolavina ny hafatra nentiko, ka tompon’andraikitra amin’izany ireo izay nanambarako azy.

— Ny manasa ny tongotry ny hafa (Jaona 13:5) : mietry mba hanaisotra izay mandoto io olona io eo amin’ny lafiny ara-batana, ary koa eo amin’ny lafiny ara-toe-tsaina amam-panahy.

(ao anatin’ny herinandro 2 ny tohiny)