Alarobia 15 Febroary 2023

(Hoy Jesosy :) Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Jaona 6:37

Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Ezekiela 36:26

 

Fantatrao ve fa tia anao Jesosy ? (2)

Hitantsika omaly ny nahakasika ny fon’i Cody tamin’ilay teny hoe : „Fantatrao ve fa tia anao Jesosy ?”. Tamin’io andro io no nanatrehany voalohany indrindra, teo amin’ny fiainany, fotoam-pivavahana kristiana.

„Nandritra ireo herinandro nanaraka, hoy izy mijoro ho vavolombelona, dia niverina tao amin’io fiangonana io aho, satria arakaraka ny nandrenesako resaka momba an’i Jesosy no naniriako handre bebe kokoa momba Azy.

Nahenako tsikelikely ny fidorohako zava-mahadomelina. Zara raha mba nisy fantatro ny momba ny Baiboly. Tsy nahay nivavaka akory aza aho. Nefa indray andro, tao amin’ilay zaridaina nonenako, dia nandohalika aho, nitomany toy ny zazakely, ary nivavaka hoe : „Tompo ô, tena vizana aho, vizana midoroka zava-mahadomelina. Miangavy Anao aho, mba afaho anie aho. Ny fiheverako ny tenako dia toy ny mitondra fiarakodia ary tsy mahay manao afa-tsy ny miteraka loza. Tompo ô, nahoana no tsy Ianao no mandray ny familiana e ? Nanenenako ny fomba niainako teo aloha. Te hametraka aminao ny fiainako aho. Tompo ô, miangavy Anao aho, mba ataovy manjary olom-baovao anie aho.”

Tsy fantatro ny halavan’ny fotoana nivavahako, fa taorianan’izay aho dia feno fiadanam-po mbola tsy fantatro hatrizay, toy ireny nandalovan’onja vaventy ireny teo amboniko, nefa tafavoaka tampoka indray aho. Sambany aho no nahatsapa ho madio. Tamin’io fotoana io dia nofoanan’Andriamanitra tato anatiko ny faniriana rehetra handray zava-mahadomelina.”

Ankehitriny, 8 taona tatỳ aoriana, dia nanolo-tena i Cody hiasa ao amina fikambanana iray manome sakafo sy trano fonenana ho an’ny tsy manan-kialofana any Las Vegas. „Ry namako, hoy izy matetika amin’izy ireo, tsy mampaninona ahy izay nataonareo. Manatòna an’i Jesosy. Hamihina anareo eny an-tratrany Izy, ka tsy hanary anareo na oviana na oviana.”

Cody Huff